Izaho anefa namboly anao, ho karazam-boaloboka tsara indrindra, avy amin’ny fototra tena tsara avokoa. Ka ahoana no dia niovanao amiko, ho sampana ratsy avy amin’ny voaloboka hafa karazana?
Isaia 27:2 - Baiboly Katolika Amin’izany andro izany no hilazana hoe: Tanimboaloboka anankiray ahazoana divay mahery, mihirà ho azy! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Amin’izany andro izany no hihiranareo ny amin’ny tanim-boaloboka ahazoana divay mahery hoe: DIEM PROTESTANTA Amin’izany andro izany no andredony hira momba ny voaloboka manome divay tsara hoe: Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Amin’izany andro izany no andredony hira momba ny voaloboka manome divay tsara hoe: Baiboly Protestanta Malagasy Amin’izany andro izany no hihiranareo Ny amin’ny tanimboaloboka ahazoana divay mahery hoe: Malagasy Bible Amin'izany andro izany no hihiranareo ny amin'ny tanim-boaloboka ahazoana divay mahery hoe: La Bible en Malgache Amin’izany andro izany no hihiranareo ny amin’ny tanim-boaloboka ahazoana divay mahery hoe: |
Izaho anefa namboly anao, ho karazam-boaloboka tsara indrindra, avy amin’ny fototra tena tsara avokoa. Ka ahoana no dia niovanao amiko, ho sampana ratsy avy amin’ny voaloboka hafa karazana?