Isaia 26:16 - Baiboly Katolika Nitady Anao izy, nony azom-pahoriana, ry Iaveh ô, noborahiny ny fitarainany, raha nokapohinao izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 TOMPO ô, nitady Anao izy ireo nony azom-pahoriana; nanao vavaka tora-po izy nony iharan’ny famaizanao. DIEM PROTESTANTA TOMPO ô, fony azom-pahoriana izahay, dia nitady Anao tokoa; ary niantso vonjy taminao izahay, rehefa voaterin’ny famaizanao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara TOMPO ô, fony azom-pahoriana izahay, dia nitady Anao tokoa; ary niantso vonjy taminao izahay, rehefa voaterin’ny famaizanao. Baiboly Protestanta Malagasy Jehovah ô, nony azom-pahoriana izy, dia nitady Anao; Nony niharan’ny famaizanao izy, dia nanao vavaka anakampo. Malagasy Bible Jehovah ô, nony azom-pahoriana izy, dia nitady Anao; Nony niharan'ny famaizanao izy, dia nanao vavaka anakampo. La Bible en Malgache TOMPO ô, nitady Anao izy ireo nony azom-pahoriana; nanao vavaka tora-po izy nony iharan’ny famaizanao. |
Hoy ny feoko, milaza ny teny avy aminao: «Tadiavinareo ny Tavako»; mitady ny Tavanao aho, ry Iaveh.
Ny ranomasoko no haniko andro aman’alina, dia ny ilazan’ny olona amiko tsy an-kijanona hoe: Aiza izay Andriamanitrao?
Antsoy amin’ny andron’ny fahoriana Aho, dia hamonjy anao; ka hanome voninahitra Ahy ianao.
Mitady ny Tompo, amin’ny andron’ny fahoriako aho; manandra-tanana tsy mety vizana aho, nony alina; lavin’ny fanahiko avokoa ny fampiononana.
Nony nasiany tamin’ny fahafatesana izy ireo vao nitady Azy, niverina izy ka dodona hahita an’Andriamanitra indray;
Hiantso Ahy izy, ary hamaly azy Aho; homba azy amin’ny andron’ny fahoriana Aho. Hanafaka sy hanome voninahitra azy Aho.
ka nanao taminy hoe: «Izao no lazain’i Ezekiasa: Androm-pahoriana amam-pamaizana sy fahafaham-baraka izao andro izao, fa ny zaza vonon-kivoaka avy ao am-bohoka nefa ny hery hiterahana azy, tsy misy.
izay manao amin’ny hazo hoe: ‹Ianao no raiko›; sy amin’ny vato hoe: ‹Ianao no niteraka ahy.› Fa ny lamosina no natodiny ahy, fa tsy mba ny tavany, ka nony avy izay mahory azy, vao hanao hoe izy: ‹Mitsangàna, ka vonjeo izahay!›
Ianao izay mitoetra any Libàna, sy manao ny akaninao any amin’ny sedera, endrey izany fitarainanao, rehefa tratry ny fanaintainana ianao, fifanintontsintonan’ny tena toy ny an’ny vehivavy mihetsi-jaza!
Mitsangàna, miantsoantso mandritra ny alina, hatramin’ny filatsahan’ny fiambenana; aidino hoatra ny rano ny fonao, eo anatrehan’ny Tavan’ny Tompo! Manandrata tanana aminy, ho an’ny ain’ny zanakao madinika, izay lavo toran’ny hanoanana, eny an-joron-dalana rehetra eny.
Handeha Aho hody any amin’ny fonenako, mandra-piaikiny ny mahameloka azy, ka hitadiavany ny Tavako. Fa hitady Ahy izy ireo, rehefa azom-pahoriana.
Tsy mitaraina amiko ao am-pony izy, raha ilay midradradradra foana eo am-pandriany iny. Misahirana fatratra izy ny amin’ny vary aman-divay vaovao, nefa Izaho iambohoany.
Nankeo amin’i Môizy ny vahoaka ka nanao hoe: «Efa nanota izahay fa niteny nanome tsiny an’i Iaveh sy ianao. Mivavaha amin’i Iaveh mba hoesoriny lavitra anay ireo bibilava ireo.» Dia nivavaka ho an’ny vahoaka i Môizy,
Dia hoy ny zanak’i Israely tamin’i Iaveh: «Efa nanota izahay, ka ataovy aminay izay heverinao ho mety. Kanefa mba afaho aloha izahay amin’ity andro ity».
Fa hoy i Anà: «Tsia, tompoko, fa vehivavy ory ao am-po aho, tsy nisotro divay na fisotro mahamamo aho; fa namboraka ny ato am-poko eto anatrehan’i Iaveh.