Hany sisa hatao dia milefitra eo amin’ny babo, na lavo eo amin’ny maty. Na izany rehetra izany aza anefa, tsy nihodivitra ny hatezerany, ary mbola mihinjitra ihany ny tanany.
Isaia 24:22 - Baiboly Katolika Dia hatambatra efa voababo eny amin’ny hantsana sy hohidiana ao an-tranomaizina izy ireo, ka afaka andro maro be, vao hovangiana indray izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hangonina tahaka ny mpifatotra ao an-davaka izy ireo ka hohidina any an-tranomaizina. Ary rehefa afaka andro maro dia hampamoahina izy. DIEM PROTESTANTA Hangonina ho ao an-davaka toy ny gadra avokoa ireny, ka hohidiana an-tranomaizina; ary rehefa ela ny ela, dia hiseho fitsarana izy rehetra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hangonina ho ao an-davaka toy ny gadra avokoa ireny, ka hohidiana an-tranomaizina; ary rehefa ela ny ela, dia hiseho fitsarana izy rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy Dia hangonina ao an-davaka tahaka ny mpifatotra ireny Ka hohidiana ao an-trano-maizina, Ary rehefa afaka andro maro, dia hovangiana ihany izy. Malagasy Bible Dia hangonina ao an-davaka tahaka ny mpifatotra ireny ka hohidiana ao an-trano-maizina, ary rehefa afaka andro maro, dia hovangiana ihany izy. La Bible en Malgache Dia hangonina tahaka ny mpifatotra ao an-davaka izy ireo ka hohidina any an-tranomaizina. Ary rehefa afaka andro maro dia hampamoahina izy. |
Hany sisa hatao dia milefitra eo amin’ny babo, na lavo eo amin’ny maty. Na izany rehetra izany aza anefa, tsy nihodivitra ny hatezerany, ary mbola mihinjitra ihany ny tanany.
Dia hiditra anatin’ny zoma amin’ny vatolampy ny olona, sy anatin’ny zohy amin’ny tany, eo anatrehan’ny tahotra avy amin’i Iaveh, sy ny famirapiratan’ny fiandrianany, rehefa hitsangana hampangovitra ny tany Izy.
Ary indro ity vahoaka ity, dia voababo sy norobaina ny fananany. Voafatotra ao an-johy avokoa izy rehetra; voahiboka ao an-tranomaizina izy; robaina izy nefa tsy misy mamonjy azy, baboina ny fananany, nefa tsy misy manao hoe: «Avereno!»
Raha afaka andro maro, hovangiana ianao; nony any am-paran’ny taona any dia ho avy ianao, hamely ny firenena afaka tamin’ny sabatra, nangonina avy eny amin’ny firenena maro, ho ao an-tendrombohitr’i Israely izay efa lao nandritra ny ela, hamely ny firenena nampodina avy any amin’ny firenena, sy efa monina mandry feizay avokoa izy manontolo.
Ho anao koa, noho ny ran’ny fanekena taminao, no efa hamoahako ny mpifatotrao, avy ao an-davaka tsy misy rano.
Miverena ho ao amin’ny fitoerana mimanda, ianareo babon’ny fanantenana. Mbola lazaiko anio izao: Indroa heny no haveriko aminao.
Nosamborin’izy io ny Dragona, ilay menarana antitra, dia ny demony sy i Satana, ka nafatony arivo taona,