Amin’ny andro hariva dia indro ny fahareraham-po; alohan’ny maraina dia tsy ao intsony ireny! Izany no anjaran’ireo mandroba antsika, izany no hanjò an’ireo mamabo antsika.
Isaia 21:12 - Baiboly Katolika Dia namaly ny tily nanao hoe: «Tonga ny maraina, ary ny alina koa. Raha te-hanontany ahy ianareo, manontania; tongava indray amin’ny fotoana hafa.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy ny mpiambina: Avy ny maraina, avy koa ny alina. Raha mbola ta hanontany ianareo dia manontania ihany! Dia miverena indray; eny, miverena! DIEM PROTESTANTA Dia namaly ny mpiambina hoe: «Tonga ny maraina nefa mbola alina ihany! Raha mbola te hanontany ianareo, dia miverena indray.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia namaly ny mpiambina hoe: «Tonga ny maraina nefa mbola alina ihany! Raha mbola te hanontany ianareo, dia miverena indray.» Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy ny mpiambina: Avy ny maraina, avy koa ny alina; Raha mbola ta-hanontany hianareo, dia manontania ihany; ka avia, miverena. Malagasy Bible Dia hoy ny mpiambina: Avy ny maraina, avy koa ny alina; Raha mbola ta-hanontany ianareo, dia manontania ihany; ka avia, miverena. La Bible en Malgache Dia hoy ny mpiambina: Avy ny maraina, avy koa ny alina. Raha mbola ta hanontany ianareo dia manontania ihany! Dia miverena indray; eny, miverena! |
Amin’ny andro hariva dia indro ny fahareraham-po; alohan’ny maraina dia tsy ao intsony ireny! Izany no anjaran’ireo mandroba antsika, izany no hanjò an’ireo mamabo antsika.
Faminaniana ny amin’i Domà. Misy miantso ahy avy any Seira manao hoe: «Ry tily ô, toy inona alina moa izao? Ry tily ô, toy inona alina moa izao?»
Faminaniana any Arabia. Any an-tanilemaka foana any Arabia ianareo no handry, ry andian’i Dedana.
aoka ny ratsy fanahy hiala amin’ny lalany, ary ny meloka amin’ny heviny; ka hiverina amin’i Iaveh izy, dia hamindrany fo; dia amin’Andriamanitra fa mamela malalaka Izy.
Vonoy avokoa ireo ombalahy, aoka hidina ho any am-pamonoana izy. Loza ho azy fa tonga ny androny, dia ny fotoana hamangiana azy.
Lazao aminy hoe: «Velona Aho, - teny marin’ny Tompo Iaveh: - tsy ny fahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrako, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany, ka ho velona izy. Miverena! miverena! avy amin’ny lalan-dratsinareo! Fa nahoana no ho faty ianareo, ry taranak’i Israely?»
Indro ny andro, tamy izy; tonga ny anjaranao; mamòny ny tsora-kazo; mivelatra ny avonavona;
Tonga ny fotoana, antomotra ny andro! Ny mpividy, aoka tsy hifaly; ary ny mpivarotra, aoka tsy halahelo, fa efa hipoahan’ny fahatezerana avokoa ny ankamaroany.
Fahitan’i Abdiasa. Izao no nolazain’ny Tompo Iaveh tamin’i Edôma: - Nandray filazana avy amin’i Iaveh izahay ary nisy iraka nalefa ho any amin’ny firenena: Mitsangàna! Aoka hitsangan-kamely azy, izahay. -