dia naniraka an’i Eliasima lehiben’ny tao an-dapa sy i Sobnà mpanoratra, samy mitafy lasàka, ho any amin’ny Izaia mpaminany, zanak’i Amôsa.
Isaia 2:1 - Baiboly Katolika Ny teny hitan’i Izaia, zanak’i Amôsa momba an’i Jodà sy i Jerosalema. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny tenin’Isaia, zanak’i Amoza, ny amin’izay hitany momba ny Joda sy i Jerosalema. DIEM PROTESTANTA Ny toe-javatra hitan’i Isaià, zanakalahin’i Amôtsa, momba ny fanjakan’i Joda sy ny tanànan’i Jerosalema. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny toe-javatra hitan’i Isaià, zanakalahin’i Amôtsa, momba ny fanjakan’i Joda sy ny tanànan’i Jerosalema. Baiboly Protestanta Malagasy NY teny izay hitan’Isaia, zanak’i Amoza, ny amin’ny Joda sy Jerosalema. Malagasy Bible Ny teny izay hitan'Isaia, zanak'i Amoza, ny amin'ny Joda sy Jerosalema. La Bible en Malgache Ny tenin’Isaia, zanak’i Amoza, ny amin’izay hitany momba ny Joda sy i Jerosalema. |
dia naniraka an’i Eliasima lehiben’ny tao an-dapa sy i Sobnà mpanoratra, samy mitafy lasàka, ho any amin’ny Izaia mpaminany, zanak’i Amôsa.
Fahitan’i Izaia, zanak’i Amôsa, momba an’i Jodà sy i Jerosalema, izay hitany tamin’ny andron’i Oziasa, i Joatama, i Akaza ary i Ezekiasa, mpanjakan’i Jodà.
Tenin’i Amôsy, isan’ireo mpiandry ondry tao Tekôe. Izay hitany momba an’i Israely, tamin’ny andron’i Oziasa, mpanjakan’i Jodà, sy tamin’ny andron’i Jerôbôama, zanak’i Jôasa, mpanjakan’i Israely, roa taona talohan’ny horohoron-tany. Hoy izy:
Tenin’i Iaveh natao tamin’i Mikea avy ao Môreseta, tamin’ny andro nanjakan’i Joatana sy i Akaza ary i Ezekiesa, mpanjakan’i Jodà, izay nahazoany fahitana momba an’i Samaria sy i Jerosalema.
Izao no ho tonga any am-paran’ny andro any: ny Tendrombohitra misy ny tranon’i Iaveh, haorina eo an-tampon’ny tendrombohitra, sy hasandratra eo ambonin’ny havoana. Ary hitanjozotra ho any aminy ny firenena.
Miantso mafy miteny amin’ny tanàna ny feon’i Iaveh - ary fahendrena kosa ny manaja ny Anaranao: - Mihainoa ianareo, ny tsora-kazo, mbamin’izay nandidy azy!