Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Isaia 19:8 - Baiboly Katolika

Ny mpaka hazandrano hisentosento sy higogogogo, dia ny mpamintana rehetra, eo an’ony; ny mpandatsaka harato eo ambonin’ny rano hivaranhotsaka.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia hitoloko ny mpaka hazandrano ary hisaona ny mpamintana rehetra ao Neily; ho reraka ny mpamelatra harato amin’ny rano.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Misento sy mitomany ny mpanjono, samy talanjona ireo mpamintana rehetra sy ireo mpandatsaka harato amin’ny ony Neily.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Misento sy mitomany ny mpanjono, samy talanjona ireo mpamintana rehetra sy ireo mpandatsaka harato amin’ny ony Neily.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia hitomany ny mpaka hazandrano, Ary hisaona ny mpamintana rehetra ao Neily, Ary ho reraka ny mpandatsaka harato amin’ny rano.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia hitomany ny mpaka hazan-drano, ary hisaona ny mpamintana rehetra ao Neily, Ary ho reraka ny mpandatsaka harato amin'ny rano.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia hitoloko ny mpaka hazandrano ary hisaona ny mpamintana rehetra ao Neily; ho reraka ny mpamelatra harato amin’ny rano.

Jereo ny toko



Isaia 19:8
6 Rohy Ifampitohizana  

Maty ny hazandrano tamin’ny ony, nanjary maimbo ny ony, tsy azon’i Ejiptianina nosotroina ny rano tamin’ny ony ary heni-dra ny tany Ejipta manontolo.


Hitsangana eo amoron’izany ranomasina izany ny mpaka hazandrano; hovelarana harato ny hatrany Engadi, ka hatrany Engalima; hisy hazandrano isan-karazany maro dia maro toy ny any amin’ny ranomasina lehibe.


Fa alainy amin’ny fintana izany rehetra izany, sy sarihany amin’ny haratony, ary angoniny amin’ny harato tarihina, ka dia mifaly sy mientan-karavoana izy.


Hitohy mandrakariva va ny fandoarany ny ao amin’ny haratony, sy ny famonoany, tsy ananany antra, ny firenena?


Tsaroanay izany hazandrano, nohaninay maimaim-poana tany Ejipta, ny voatango, ny voanketsihetsy, ny tongolobe sy ny tongolon-kova.


ka manao hoe: Nitsoka sodina taminareo izahay, nefa tsy nandihy ianareo; nanao hira mampalahelo izahay, nefa tsy nandòn-tratra ianareo.