Ny hendry mizotra lalan’aina miakatra ho any ambony; mba hivily tsy hankany amin’ny Seoly izay any ambany.
Isaia 14:9 - Baiboly Katolika Taitra ny aminao ny Seoly any ambany lalina any, handeha hitsena anao. Fohaziny noho ny aminao ny avelo, ny mpanjakan’ny tany rehetra; asainy hitsangana avy eo amin’ny seza fiandrianana avokoa, ny mpanjakan’ny firenena rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Mihetsiketsika ny fitoeran’ny maty any ambany mba hitsena anao amin’ny fiavianao; mamoha ny matoatoa hitsena anao izy, dia ireny osilahy mpitarika rehetra teo ambonin’ny tany ireny; atsangany hiala amin’ny sezafiandrianany ny mpanjakan’ny firenena rehetra. DIEM PROTESTANTA Mihotakotaka noho ny aminao, ry ilay mpanjakazaka, ny any amin’ny fonenan’ny maty any ambany any. Fohazina hitsena ny fiavianao ireo ambiroa, dia ireo lehibe rehetra fony tetỳ an-tany. Ampitsanganina hiala eo amin’ny sezafiandrianany ireo mpanjaka rehetra nifehy firenena fahizay. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Mihotakotaka noho ny aminao, ry ilay mpanjakazaka, ny any amin’ny fonenan’ny maty any ambany any. Fohazina hitsena ny fiavianao ireo ambiroa, dia ireo lehibe rehetra fony tetỳ an-tany. Ampitsanganina hiala eo amin’ny sezafiandrianany ireo mpanjaka rehetra nifehy firenena fahizay. Baiboly Protestanta Malagasy Taitra ny fiainan-tsi-hita any ambany noho ny aminao mba hitsena anao amin’ny fihavianao; Mamoha ny matoatoa hitsena anao izy, Dia ireny bibilahy rehetra tambonin’ny tany; Aingainy hiala amin’ny seza fiandrianany Ny mpanjakan’ny firenena rehetra. Malagasy Bible Taitra ny fiainan-tsi-hita any ambany noho ny aminao mba hitsena anao amin'ny fihavianao; Mamoha ny matoatoa hitsena anao izy, dia ireny bibilahy rehetra tambonin'ny tany; Aingainy hiala amin'ny seza fiandrianana ny mpanjakan'ny firenena rehetra. La Bible en Malgache Mihetsiketsika ny fitoeran’ny maty* any ambany mba hitsena anao amin’ny fiavianao; mamoha ny matoatoa hitsena anao izy, dia ireny osilahy mpitarika rehetra teo ambonin’ny tany ireny; atsangany hiala amin’ny sezafiandrianany ny mpanjakan’ny firenena rehetra. |
Ny hendry mizotra lalan’aina miakatra ho any ambony; mba hivily tsy hankany amin’ny Seoly izay any ambany.
Koa dia mitatra ny Seoly, ka manadanadana tsy anerany ny vavany; mivarina ao ny reharehan’i Siôna, mbamin’ny be sy ny maro aminy izay mihahohaho sy mifaly.
Mandosira, mialà ao afovoan’i Babilôna ianareo, ary mitsoaha miala ao amin’ny tanin’ny Kaldeanina; aoka ho toy ny osy lahy, lohalalan’ny andiam-biby fiompy.
dia hampidiniko hiaraka amin’ireo nivarina any an-davaka, ianao, ho any amin’ireo vahoaka fahagola; ka hamponeniko any ambanin’ny tany, any amin’ny fanginginana mandrakizay, miaraka amin’ireo nivarina any an-davaka, mba tsy honenana intsony ianao; ary hanisy ravaka amin’ny tanin’ny velona Aho.