Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 14:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Mihotakotaka noho ny aminao, ry ilay mpanjakazaka, ny any amin’ny fonenan’ny maty any ambany any. Fohazina hitsena ny fiavianao ireo ambiroa, dia ireo lehibe rehetra fony tetỳ an-tany. Ampitsanganina hiala eo amin’ny sezafiandrianany ireo mpanjaka rehetra nifehy firenena fahizay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Mihetsiketsika ny fitoeran’ny maty any ambany mba hitsena anao amin’ny fiavianao; mamoha ny matoatoa hitsena anao izy, dia ireny osilahy mpitarika rehetra teo ambonin’ny tany ireny; atsangany hiala amin’ny sezafiandrianany ny mpanjakan’ny firenena rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Mihotakotaka noho ny aminao, ry ilay mpanjakazaka, ny any amin’ny fonenan’ny maty any ambany any. Fohazina hitsena ny fiavianao ireo ambiroa, dia ireo lehibe rehetra fony tetỳ an-tany. Ampitsanganina hiala eo amin’ny sezafiandrianany ireo mpanjaka rehetra nifehy firenena fahizay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Taitra ny aminao ny Seoly any ambany lalina any, handeha hitsena anao. Fohaziny noho ny aminao ny avelo, ny mpanjakan’ny tany rehetra; asainy hitsangana avy eo amin’ny seza fiandrianana avokoa, ny mpanjakan’ny firenena rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Taitra ny fiainan-tsi-hita any ambany noho ny aminao mba hitsena anao amin’ny fihavianao; Mamoha ny matoatoa hitsena anao izy, Dia ireny bibilahy rehetra tambonin’ny tany; Aingainy hiala amin’ny seza fiandrianany Ny mpanjakan’ny firenena rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Taitra ny fiainan-tsi-hita any ambany noho ny aminao mba hitsena anao amin'ny fihavianao; Mamoha ny matoatoa hitsena anao izy, dia ireny bibilahy rehetra tambonin'ny tany; Aingainy hiala amin'ny seza fiandrianana ny mpanjakan'ny firenena rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 14:9
5 Rohy Ifampitohizana  

Ny lala-miakatra ho amin’ny fiainana no alehan’ny hendry ka idifiany ny toeran’ny maty any ambany.


Koa nitanatana vava izaitsizy ny fonenan’ny maty sady nanitatra ny tendany hanao telimoka azy; any no hivarinan’ny olomanga sy ny sarambabem-bahoakan’i Jerosalema miaraka amin’ny tabatabam-pifaliany.


Hoy ny Tompo: «Mandosira lavitra an’i Babilôna, ilaozy i Babilônia ka manaova hitsin-dalana toy ny osilahy mialoha ny ondry aman’osy.


Hampidiniko any an-davaka misy ireo maty hatrizay ianao. Hamponeniko any ambanin’ny tany tahaka ireo sisan-drava fahagola ianao miaraka amin’ireo maty talohanao. Tsy ho afa-miakatra intsony ianao, ary tsy hanan-toerana eo amin’ny tanin’ny velona intsony.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra