Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Isaia 14:3 - Baiboly Katolika

Ary amin’ny andro hampitsaharan’i Iaveh anao amin’ny fisasarana aman-tebitebinao, sy amin’ny fanompoana mafy nampanaovina anao,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Koa amin’ny andro hanomezan’NY TOMPO fitsaharana anao ho afaka amin’ny fahorianao sy ny fitebitebin’ny fonao ary ny fanompoana mafy izay nampanompoana anao

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary rehefa homen’ny TOMPO fitsaharana ianao, ry Israely, ka afaka amin’ny fijaliana sy ny tebiteby ary ny fanompoana mafy izay nampanaovina anao,

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary rehefa homen’ny TOMPO fitsaharana ianao, ry Israely, ka afaka amin’ny fijaliana sy ny tebiteby ary ny fanompoana mafy izay nampanaovina anao,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ARY amin’ny andro hanomezan’i Jehovah fitsaharana anao ho afaka amin’ny fahorianao sy ny fitebitebin’ny fonao ary ny fanompoana mafy izay nampanompoana anao,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary amin'ny andro hanomezan'i Jehovah fitsaharana anao ho afaka amin'ny fahorianao sy ny fitebitebin'ny fonao ary ny fanompoana mafy izay nampanompoana anao,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Koa amin’ny andro hanomezan’NY TOMPO fitsaharana anao ho afaka amin’ny fahorianao sy ny fitebitebin’ny fonao ary ny fanompoana mafy izay nampanompoana anao

Jereo ny toko



Isaia 14:3
17 Rohy Ifampitohizana  

Izao no hiseho amin’izany andro izany: Ny solofon’i Jese, voatsangana ho fanevan’ny vahoaka samihafa, dia hotadiavin’ny firenena, ary ho be voninahitra ny fonenany.


Ka dia izao no holazainao amin’izany andro izany: «Midera Anao aho, ry Iaveh, fa tezitra Ianao, nefa nihodivitra ny hatezeranao, ka mampionona ahy Ianao.


Ny vahoakako honina eo amin’ny toeram-piadanana, eo amin’ny trano fonenana mahatoky, eo amin’ny trano fipetrahana mandry feizay.


Mitenena amin’ny fon’i Jerosalema, ary ataovy antso avo aminy, fa tapitra ny fanompoany, voaonitra ny helony, voarainy tamin’ny tanan’i Iaveh, ny indroa heny valin’ny fahotany.


Havelanao ho faty foana sady vokatry ny hadisoanao izany, ny lovako nomeko anao; hampanompoiko ny fahavalonao any amin’ny tany tsy fantatrao ianao, satria narehitrareo ny afon’ny fahatezerako, ka mirehitra ho amin’ny mandrakizay.


Koa aza matahotra ianao, ry Jakôba, mpanompoko, - teny marin’i Iaveh, - ary aza manam-badi-po, ry Israely. Fa indro Aho hanaisotra anao any an-tany lavitra, sy ny taranakao, avy any amin’ny tany nahababo azy. Dia ho tafaverina i Jakôba, ka hiadana, handry feizay, tsy hisy mpanabataba azy.


Fa hisy toy izao amin’izany andro izany, - teny marin’i Iavehn’ny tafika, - Hotapahiko ho afaka amin’ny vozonao ny jiogany, ary hotsoahako ny fatoranao; tsy hampanompo azy intsony ny olon-kafa;


Mahery anefa ny mpanao famaliana ho azy ireo, Iavehn’ny tafika no Anaran’izy io; ka hiaro azy ireo amim-pahefana tokoa izy mba hampiadana ny tany, sy hampangovitra ny mponina ao Babela.


Amin’izay tsy hisy intsony, ho an’ny taranak’i Israely, izay tsilo mandoza, na roy mampangirifiry eo amin’izay rehetra mifanila aminy ka manao azy ho tsinontsinona; dia ho fantatry ny olona fa Tompo Iaveh Aho.


Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Saro-piaro dia saro-piaro an’i Siôna Aho, sady entim-pahatezerana mafy Aho noho ny aminy.»


hoentiko mody izy honina ao afovoan’i Jerosalema, ka izy ho vahoakako ary Izaho ho Andriamaniny, amin’ny rariny sy ny hitsiny.»


dia amin’ny hanoanana sy hetaheta, ary amin’ny fitanjahana sy tsy fananana na inona na inona kosa no hanompoanao ny fahavalonao, izay halefan’i Iaveh hamely anao; hanisy jioga vy ny vozonao mandra-pandringany anao Izy.


Mifalia noho ny nanjò azy ianao, ry lanitra, sy ianareo olo-masina, mbaminareo apôstôly sy mpaminany koa, fa fanomezan-drariny anareo no nanamelohan’Andriamanitra azy.