Nankany Ofira izy ireo, naka talenta volamena 420 tany, dia nentiny tamin’i Salômôna mpanjaka.
Isaia 13:12 - Baiboly Katolika Hataoko mahalana mihoatra noho ny volamena madio, ny olombelona; mahalana mihoatra noho ny volamena avy any Ofira. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hataoko ho saro-tadiavina mihoatra noho ny tena volamena tsy miharo ny olombelona; eny, mihoatra noho ny volamena tsy miharo avy any Ofira aza. DIEM PROTESTANTA Hataoko mahalana ny olombelona ka ho saro-tadiavina noho ny volamena madio, mahalana ka ho saro-tadiavina noho ny volamena avy any Ôfira aza.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hataoko mahalana ny olombelona ka ho saro-tadiavina noho ny volamena madio, mahalana ka ho saro-tadiavina noho ny volamena avy any Ôfira aza.» Baiboly Protestanta Malagasy Dia hataoko ho saro-tadiavina mihoatra noho ny volamena tsara ny olombelona, Eny, noho ny tena volamena avy any Ofira aza. Malagasy Bible Dia hataoko ho saro-tadiavina mihoatra noho ny volamena tsara ny olombelona, eny, noho ny tena volamena avy any Ofira aza. La Bible en Malgache Hataoko ho saro-tadiavina mihoatra noho ny tena volamena tsy miharo ny olombelona; eny, mihoatra noho ny volamena tsy miharo avy any Ofira aza. |
Nankany Ofira izy ireo, naka talenta volamena 420 tany, dia nentiny tamin’i Salômôna mpanjaka.
Tsy ampifandanjaina amin’ny volamena avy any Ofira izy, na ny berila sarobidy na ny safira.
Manitra mira sy aloesy aman-kasa ny fitafianao rehetra; mamalifaly anao ny zava-maneno avy ao an-dapa ivoara.
Noho izany ny tany levon’ny ozona; ny mponina aminy, mivesatra ny valin’ny helony; ka dia levona ny mponina amin’ny tany, fa vitsy ny isan’ny olona tavela.
Amin’izany andro izany, hisy vehivavy fito hihazona lehilahy iray, hanao hoe: «Ny mofonay no hohaninay, ary ny fitafianay no hitafianay, fa aoka mba hitondra ny anaranao izahay, ka halànao tondromaso.»
Ary hoy aho: «Mandra-pahoviana, ry Tompo?» Ka hoy ny navaliny: «Mandra-paharingan’ny tanàna, ka tsy hisy mponina, ka ny trano, tsy hisy olona intsony, ary ny tany ho rava sy lao;