Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Isaia 1:25 - Baiboly Katolika

Haninjitra ny tanako aminao Aho, ka ny tain-drendrikao hoempoiko toy ny amin’ny sirahazo, ary ny potipoti-pirakao rehetra hoesoriko.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hamerina ny tanako ho aminao indray Aho ka hodioviko amin’ny sirahazo ianao hahafahan’ny tain-drendrikao anao; hesoriko ny firaka rehetra aminao.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ry Jerosalema, hahita raharaha amiko ianao: hodioviko amin’ny afo ianao mba hialan’ny tain-drendrikao ary hoesoriko ny lotom-pirakao rehetra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ry Jerosalema, hahita raharaha amiko ianao: hodioviko amin’ny afo ianao mba hialan’ny tain-drendrikao ary hoesoriko ny lotom-pirakao rehetra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia hamerina ny tànako ho aminao Aho, Ka hodioviko amin’ny lavenona hianao hahafahan’ny tain-drendrikao, Ary hesoriko ny firaka rehetra aminao.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia hamerina ny tanako ho aminao Aho, Ka hodioviko amin'ny lavenona ianao hahafahan'ny tain-drendrikao, ary hesoriko ny firaka rehetra aminao.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hamerina ny tanako ho aminao indray Aho ka hodioviko amin’ny sirahazo ianao hahafahan’ny tain-drendrikao anao; hesoriko ny firaka rehetra aminao.

Jereo ny toko



Isaia 1:25
18 Rohy Ifampitohizana  

Arianao toy ny tain-drendrika ny ratsy fanahy rehetra amin’ny tany; noho izany dia tiako ny fampianaranao.


Ny volafotsinao zary tain-drendrika, ny divainao notampohin-drano.


Toy izao no hahavoaonitra ny helok’i Jakôba, ary izao no ho vokatra rehetra amin’ny famelana ny fahotany. Rehefa ny vaton’ireo ôtely no hataony manjary vovoka manahaka ny vato sokay, dia tsy hatsangana intsony ny aserah sy ny sarin’ny Masoandro.


Rehefa voasasan’i Iaveh, ny loton’ny zanaka vavin’i Siôna, ka voadiony i Jerosalema amin’ny ra izay eo afovoany, amin’ny fanahin’ny fitsarana amam-panahin’ny fandringanana,


Levon’ny afo ny tafoforana; lany ny firaka; diovina ka diovina koa, nefa tsy mihataka hiala eo ny ratsy fanahy.


Koa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Indro Aho handrendrika azy amin’ny memy sy hizaha toetra azy; fa inona indray moa no hatao amin’ny zanaka vavin’ny vahoakako?


Longy mahafaty ny lelan’izy ireo; fa lainga no hany alefany; Fihavanana no lazain’ny vavany amin’ny namana, nefa ao anatin’ny fony dia otrika no heveriny hamelezana azy.


Havahako hiala aminareo ireo mpiodina, sy ireo niendaka tamiko; hotsoahako avy any amin’ny tany nivahiniany ihany izy, nefa tsy mba ho tonga any amin’ny tanin’i Israely; dia ho fantatrareo fa Iaveh Aho.


Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho ianareo rehetra tonga taim-bolafotsy, noho izany, dia indro, hangoniko eo afovoan’i Jerosalema, ianareo.


Toy ny fanangon’ny olona volafotsy, varahina, vy, fira-mainty, fira-potsy, ao afovoan’ny memy sy hofoforina harendrika, no hanangonako anareo, amin’ny fahatezerako amam-pahavinirako; hataoko ao ianareo ary hataoko rendrika.


Toy ny fandrendrehana volafotsy ao anaty memy no hahavoarendrika anareo ao afovoany, dia ho fantatrareo fa Izaho Iaveh, nampidina ny fahatezerako taminareo.


Amin’izany andro izany tsy ho henatra ho anao intsony, ny asanao rehetra izay nanotanao tamiko; satria amin’izany hoesoriko hiala eo aminao ireo izay nifaly tamim-pireharehana; ary ianao tsy hiavonavona intsony eo an-tendrombohitro masina.


Hipetraka mandrendrika sy manadio ny volafotsy Izy; hanadio ny taranak’i Levỳ Izy, ka hanadio azy toy ny volamena sy ny volafotsy, ka dia ho mpanompo izy ho an’i Iaveh hanolotra fanatitra ara-drariny Aminy;


eny an-tanany ny fikororohany ary hodioviny tsara ny famoloana, ka ny variny hangoniny any an-tsompitra, fa ny mololo kosa hodorany any amin’ny afo tsy mety maty.»


Ry firenena, aoka hanao horakora-pifaliana ianareo, ho voninahitry ny vahoakany. Fa valian’i Iaveh ny ran’ny mpanompony asiany valim-bonoana izay mandrafy Azy. Dia manao fanonerana ho an’ny taniny, ho an’ny vahoakany Izy.


Izay rehetra tiako no anariko sy faiziko; mazotoa àry, ka mibebaha.