Hanao ahoana re ianareo, amin’ny andro famangiana sy amin’ny loza amin’antambo ho tonga avy lavitra? Any amin’iza no handosiranareo, hamonjy anareo, ary aiza no hanaovanareo ny harenareo?
Hosea 9:5 - Baiboly Katolika Inona no hataonareo amin’ny fety lehibe, amin’ny andro fetin’i Iaveh? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Inona ary no hataonareo raha tonga amin’ny fotoam-pivavahana sy amin’ny andro firavoravoana voatendrin’NY TOMPO? DIEM PROTESTANTA Inona kosa no hataonareo amin’ny androm-pankalazana manetriketrika, dia amin’ny andro fetin’ny TOMPO? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Inona kosa no hataonareo amin’ny androm-pankalazana manetriketrika, dia amin’ny andro fetin’ny TOMPO? Baiboly Protestanta Malagasy Hanao ahoana kosa re hianareo, raha mby amin’ny fotoam-pivavahana Sy amin’ny andro firavoravoana voatendrin’i Jehovah? Malagasy Bible Hanao ahoana kosa re ianareo, raha mby amin'ny fotoam-pivavahana sy amin'ny andro firavoravoana voatendrin'i Jehovah? La Bible en Malgache Inona ary no hataonareo raha tonga amin’ny fotoam-pivavahana sy amin’ny andro firavoravoana voatendrin’NY TOMPO? |
Hanao ahoana re ianareo, amin’ny andro famangiana sy amin’ny loza amin’antambo ho tonga avy lavitra? Any amin’iza no handosiranareo, hamonjy anareo, ary aiza no hanaovanareo ny harenareo?
Ny mpaminany, maminany lainga, ny mpisorona, mitondra araka izay sitrak’ireo mpaminany ireo; ary ny vahoakako mankasitraka izany! Ka inona no hataonareo hiafaran’izany rehetra izany?»
Koa halaiko indray ny variko amin’ny androny, sy ny divaiko vaovao amin’ny taonany, sady hoesoriko ny volon’ondry aman-drongoniko, izay enti-manarona ny fitanjahany.
Mietrà, mitolokoa, ianareo mpisorona; midradradradrà ianareo mpanao ny fanompoana momba ny ôtely! Avia hiari-tory mitafy lasàka, ianareo mpandraharahan’ny Andriamanitro, fa ny fanatitra amam-panatitra araraka dia voatana lavitra ny tranon’ny Andriamanitrareo.