dia mba fantaro kosa fa Andriamanitra no mampahory ahy, sy manarona ahy amin’ny fandrika haratony.
Hosea 7:12 - Baiboly Katolika Amin’ilay mankany iny izy ireo, Izaho kosa mamelatra eo amboniny ny fandrika haratoko; dia hataoko latsaka toy ny voromanidina izy, ary hamay azy, araka ny efa voalaza rahateo teo amin’ny fiangonany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Raha vao mandeha izy dia hovelariko aminy ny fandrika haratoko ka hazerako ao toy ny voromanidina izy; hofaiziko izy, araka izay efa nambara tamin’ny fiangonany. DIEM PROTESTANTA Iny izy mankany iny kosa no velariko aminy ny haratoko, ka ataoko izay hilatsahany ao toy ny voromanidina; avy eo dia faiziko izy araka ny zavatra ratsy nataony. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Iny izy mankany iny kosa no velariko aminy ny haratoko, ka ataoko izay hilatsahany ao toy ny voromanidina; avy eo dia faiziko izy araka ny zavatra ratsy nataony. Baiboly Protestanta Malagasy Raha vao mandeha izy, dia hovelariko aminy ny fandrika haratoko, Ka hampidiniko ao toy ny voromanidina izy; Hofaizako izy araka izay efa nambara tamin’ny fiangonany. Malagasy Bible Raha vao mandeha izy, dia hovelariko aminy ny fandrika haratoko, ka hampidiniko ao toy ny voro-manidina izy; Hofaizako izy araka izay efa nambara tamin'ny fiangonany. La Bible en Malgache Raha vao mandeha izy dia hovelariko aminy ny fandrika haratoko ka hazerako ao toy ny voromanidina izy; hofaiziko izy, araka izay efa nambara tamin’ny fiangonany. |
dia mba fantaro kosa fa Andriamanitra no mampahory ahy, sy manarona ahy amin’ny fandrika haratony.
Fa ny fotoanany aza tsy fantatry ny olombelona; toy ny hazandrano latsaka am-bovo tsy azo ialana, sy toy ny vorona voan’ny fandrika, tahaka azy ireo koa ny zanak’olombelona dia voafadiditra amin’ny androm-pahoriana, raha avy izay iantsamboran-doza tampoka aminy.
Indro aho miantso mpanarato an-kamaroany, - teny marin’i Iaveh, - ka hanarato azy ireo izy. Manaraka izany, hiantso mpihaza ankamaroany Aho, ka hihaza azy hiala any an-tendrombohitra rehetra ary eny an-tsefatsefaky ny harambato eny.
Efa naniraka ny mpaminany mpanompoko rehetra taminareo Aho, sady naniraka azy hatramin’ny vao maraina, hilaza aminareo hoe: «Aza dia manao izany fahavetavetana hàlako izany ianareo.»
Hamela-pandrika harato aminy Aho, ka ho voan’ny fandrika izy; hoentiko any Babilôna izy, any amin’ny tanin’ny Kaldeanina; nefa tsy hahita izany izy, ary ho faty any.
Hovelariko eo amboniny ny fandrika haratoko, ka ho voa ao amin’ny haratoko izy; hoentiko any Babilôna izy, ka hotsaraiko any, noho ny nivadihany fitokiana tamiko.
Ka izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Hamelatra ny fandriko hamely anao Aho; ka fitambaran’ny firenena maro no hoentiko manao izany, ka hotarihiny hivoaka, amin’ny haratoko ianao,
Horavana i Efraima amin’ny andro famaizana; ny amin’ny hanjò ny fokon’i Israely zava-tsy maintsy tò no ambarako.