Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Hosea 10:15 - Baiboly Katolika

Izany no nataon’i Betela taminareo, noho ny haratsianareo loza loatra. Vao tonga ny maraina dia levona teo ny mpanjakan’i Israely.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Toy izany no hanjo anareo, ry Betela noho ny haben’ny faharatsianareo; raha maraina ny andro dia ho levona tanteraka ny mpanjakan’ny Israely.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Toy izany no hanjo anareo, ry vahoakan’i Israely, noho ny haratsiana mihoa-pampana vitanareo. Vao maraina ny andro, dia ho faty ny mpanjakan’i Israely.»

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Toy izany no hanjo anareo, ry vahoakan’i Israely, noho ny haratsiana mihoa-pampana vitanareo. Vao maraina ny andro, dia ho faty ny mpanjakan’i Israely.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Toy izany no hataon’i Betela aminareo, Noho ny haben’ny faharatsianareo; Raha maraina ny andro, dia ho levona mihitsy ny mpanjakan’ny Isiraely.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Toy izany no hataon'i Betela aminareo, noho ny haben'ny faharatsianareo; Raha maraina ny andro, dia ho levona mihitsy ny mpanjakan'ny Isiraely.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Toy izany no hanjo anareo, ry Betela noho ny haben’ny faharatsianareo; raha maraina ny andro dia ho levona tanteraka ny mpanjakan’ny Israely.

Jereo ny toko



Hosea 10:15
8 Rohy Ifampitohizana  

Ary ankehitriny kosa miteny i Iaveh, ka manao hoe: «Ao anatin’ny telo taona, araka ny fanisana ny taona iasan’ny mpikarama, dia ho lefy ny voninahitr’i Moaba mbamin’ny vahoaka be ao aminy, fa zavatra kely foana no ho sisa, sady ho vitsy sy osa.»


Indro velona ny tabataba ao amin’ny vahoakanao, ary horavana avokoa ny tanàna mimandanao, tahaka ny nandravan’i Salmanà an’i Beta-Arbela, tamin’ny andron’ny ady izay nahatorotoro ny reniny teo ambonin’ny zanany.


Tsy ho ela no hilazany hoe: Tsy mana-mpanjaka isika, noho isika tsy natahotra an’i Iaveh; fa hahavita inona ho antsika moa izay mpanjaka?


Noho ny ombivavy kely ao Betavena no atahoran’ny mponina ao Samaria, satria ny vahoakany misaona ny sampiny, ary ny mpisorona mangovitra noho ny aminy, noho ny voninahiny, fa efa niala taminy.


Levona i Samaria; ny mpanjakany dia toy ny tapak’ahitra eo ambonin’ny rano.


Tia an’i Israely Aho fony mbola zaza izy; ka hatrany Ejipta nisy fiantsoana nataoko ny zanako.


Koa zavatra tsara izany nanjary fahafatesana ho ahy? Sanatria izany! fa ny fahotana no nahafaty ahy tamin’ny zavatra tsara, mba hiharihary ny faharatsiany ka ho tonga mpanota erỳ ny fahotana noho ny didy.