Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Hebreo 7:4 - Baiboly Katolika

Mba hevero lahy ny halehiben’io lehilahy io, fa notoloran’i Abrahama, ilay Patriarka, ny ampahafolon’ny babony tsara indrindra izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hevero ny halehiben’io lehilahy io izay nomen’i Abrahama patriarka ny ampahafolon’izay tsara tamin’ny zavatra nobaboiny.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Hevero ny fahalehibiazan’i Melkitsedeka! Fa i Abrahama razambentsika dia nanome azy ny ampahafolon-kareny avy amin’ireo zavatra tsara indrindra azony babo tany amin’ny ady.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Hevero ny fahalehibiazan’i Melkitsedeka! Fa i Abrahama razambentsika dia nanome azy ny ampahafolon-kareny avy amin’ireo zavatra tsara indrindra azony babo tany amin’ny ady.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hevero ny halehiben’io lehilahy io, izay nomen’i Abrahama patriarka ny ampahafolon’izay tsara tamin’ny zavatra nobaboina.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hevero ny halehiben'io lehilahy io -, izay nomen'i Abrahama patriarka ny ampahafolon'izay tsara tamin'ny zavatra nobaboina.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hevero ny halehiben’io lehilahy io izay nomen’i Abrahama patriarka ny ampahafolon’izay tsara tamin’ny zavatra nobaboiny.

Jereo ny toko



Hebreo 7:4
9 Rohy Ifampitohizana  

Izaho hahatonga anao ho firenena lehibe sy hitso-drano anao, ary hampanan-daza ny anaranao.


Ary hisaorana anie Andriamanitra avo indrindra Izay nanolotra ny fahavalonao ho eo an-tananao. Ary i Abrama kosa dia nanome azy ny ampahafolon’ny zavatra rehetra.»


Ry hava-malala, aoka holazaiko marimarina aminareo fa ny amin’i Davida razantsika dia efa maty izy ka nalevina, ary eto amintsika mandraka androany ny fasany.


Dia tanteraka ny Soratra Masina hoe: Ary i Abrahama nino an’Andriamanitra ka notanana ho fahamarinany izany, sady nantsoina hoe sakaizan’Andriamanitra izy.