Kanjo tsy mba nilaza ny amin’i Josefa ilay lehiben’ny mpandroso divay fa nanadino azy.
Hebreo 13:3 - Baiboly Katolika Tsarovy izay mifatotra, aoka ho toy ny miara-mifatotra aminy ianareo; ary izay ampahoriana koa, fa mbola ao anatin’ny nofo koa ianareo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tsarovy izay mifatotra ka ho toy ny miara-mifatotra aminy ianareo, ary izay ampijalina satria manana vatana mety mijaly koa ianareo. DIEM PROTESTANTA Tsarovy ny voafonja, ka hevero ho toy ny miaraka voafonja aminy koa ny tenanareo; tsarovy ny ampahorîna, ka hevero ho toy ny ampahorîna tahaka azy ireo koa ny tenanareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tsarovy ny voafonja, ka hevero ho toy ny miaraka voafonja aminy koa ny tenanareo; tsarovy ny ampahorîna, ka hevero ho toy ny ampahorîna tahaka azy ireo koa ny tenanareo. Baiboly Protestanta Malagasy Tsarovy izay mifatotra, ho toy ny miara-mifatotra aminy hianareo, ary izay ampahorina, satria mbola eo amin’ny tena koa hianareo. Malagasy Bible Tsarovy izay mifatotra, ho toy ny miara-mifatotra aminy ianareo, ary izay ampahorina, satria mbola eo amin'ny tena koa ianareo. La Bible en Malgache Tsarovy izay mifatotra ka ho toy ny miara-mifatotra aminy ianareo, ary izay ampijalina satria manana vatana mety mijaly koa ianareo. |
Kanjo tsy mba nilaza ny amin’i Josefa ilay lehiben’ny mpandroso divay fa nanadino azy.
tsy nitafy Aho notafianareo, narary Aho novangianareo, tany an-tranomaizina Aho notsidihinareo.
nivahiny Aho tsy nampiantranoinareo, tsy nitafy Aho tsy notafianareo, narary Aho sy tany an-tranomaizina, tsy novangianareo.
Dia nasainy nambenan’ny kapiteny i Paoly, nefa avela hiadanadana ihany, ary tsy raràna tsy hanampy azy ny mpomba azy na iray aza.
Nony ampitso dia tonga tany Sidona izahay. Ary tsara ny nitondran’i Joliosy an’i Paoly, fa navelany hankany amin’ny sakaizany sy handray zavatra avy amin’ireny izy.
Koa raha mijaly ny rantsam-batana iray, dia miara-mijaly avokoa ny rantsam-batana rehetra; fa raha mahazo voninahitra kosa ny rantsam-batana iray, dia miara-mifaly ny rantsam-batana rehetra.
Koa mangataka aminareo aho, dia izaho izay an-tranomaizina noho ny amin’ny Tompo, mba hanao fitondran-tena mendrika ny fiantsoana niantsoana anareo,
Veloma, hoy izaho Paoly, amin’ity sora-tanako ity. Tsarovy ny fifatorako. Ho ao aminareo anie ny fahasoavana. Amen.
Fa sady nangoraka izay nifatotra ianareo no nanaiky an-kafaliana ny fandrobana ny fanananareo, satria fantatrareo fa manam-pananana tsara lavitra sy maharitra mandrakizay ianareo.
notoraham-bato izy, notsofaina, nalaim-panahy, novonoina tamin’ny sabatra, nirenireny nitady hoditr’ondry sy hoditr’osy, tsy nanana na inona na inona, nenjehina, nampahorîna,
Farany, miraisa saina ianareo rehetra, miombòna alahelo, mifankatiava toy ny mpiray tam-po, mifamindrà fo, manetre tena.