Nony voalazan’i Môizy tamin’ny zanak’i Israely izany, dia navoakan’izy ireo ilay mpanevateva, ka notorahany vato. Notanterahin’ny zanak’i Israely ny didy nomen’i Iaveh an’i Môizy.
Hebreo 13:12 - Baiboly Katolika Ary toy izany koa ny nijalian’i Jesoa tany ivelan’ny vavahady, mba hanamasinany ny olona amin’ny Rany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Noho izany, Jesosy koa dia niaritra teny ivelan’ny vavahady mba hahamasina ny olona amin’ny rany. DIEM PROTESTANTA Izany koa no anton’ny nahafatesan’i Jesoa tany ivelan’ny tanàna, mba hanadio ny vahoaka amin’ny ra nafoiny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izany koa no anton’ny nahafatesan’i Jesoa tany ivelan’ny tanàna, mba hanadio ny vahoaka amin’ny ra nafoiny. Baiboly Protestanta Malagasy Ary amin’izany Jesosy koa dia niaritra teny ivelan’ny vavahady mba hahamasina ny olona amin’ny rany. Malagasy Bible Ary amin'izany Jesosy koa dia niaritra teny ivelan'ny vavahady mba hahamasina ny olona amin'ny ràny. La Bible en Malgache Noho izany, Jesosy koa dia niaritra teny ivelan’ny vavahady mba hahamasina ny olona amin’ny rany. |
Nony voalazan’i Môizy tamin’ny zanak’i Israely izany, dia navoakan’izy ireo ilay mpanevateva, ka notorahany vato. Notanterahin’ny zanak’i Israely ny didy nomen’i Iaveh an’i Môizy.
Dia navoakan’ny fiangonana rehetra tany ivelan’ny toby izy; ka notoraham-bato, dia maty, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.
ka tafatsangana nandroaka Azy hiala ao an-tanàna, sady nitondra Azy tany an-tampon’ny tendrombohitra iorenan’ny tanànany mba hazerany any an-tevana;
Fa nolefonin’ny miaramila anankiray kosa ny tratrany, ka nisy ra sy rano nivoaka niaraka tamin’izay.
Raha mbola nitora-bato azy izy ireo, i Etienina kosa nivavaka nanao hoe: «Jesoa Tompo ô! raiso ny fanahiko.»
Ary efa mba toy izany ihany koa ianareo, na ny sasany aminareo saingy efa nosasana, efa nohamasinina, efa nohamarinina tamin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompo, sy tamin’ny Fanahin’Andriamanitsika ianareo.
ary ny herin’izany sitrapo izany no nanamasinana antsika, tamin’ny nanoloran’i Jesoa Kristy ny Vatany indray mandeha monja.
mba toy inona kosa àry no hamafin’ny fampijaliana heverinareo ho tandrifin’izay nanitsakitsaka ny Zanak’Andriamanitra, sy nanao ho zavatra tsy masina ny Ran’ny fanekena nanamasinana azy, ary nanevateva ny Fanahin’ny fahasoavana?
Satria fototra iray ihany no niavian’izy rehetra, na ny manamasina na ny hamasinina, hany ka tsy mahamenatra Azy ny miantso azy ireo hoe havana, araka ny teniny hoe:
I Jôsoe sy i Israely rehetra niaraka taminy dia naka an’i Akàna zanak’i Zare, mbamin’ny volafotsy, ny kapaoty, ny anjam-bolamena, ny zanaka lahy aman-janaka vavin’i Akàna, ny ombiny, ny ampondrany, ny ondriny, ny lainy, mbamin’ny ananany rehetra, ka nentiny niakatra tany an-dohasaha Akora.
Nohosena teny ivelan’ny tanàna ny famiazana, ka ra nahadifotra hatramin’ny vin-damboridin-tsoavaly no nivoaka avy ao, sy nitobaka hatramin’ny enin-jato sy arivo stady.