Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hebreo 2:11 - Baiboly Katolika

11 Satria fototra iray ihany no niavian’izy rehetra, na ny manamasina na ny hamasinina, hany ka tsy mahamenatra Azy ny miantso azy ireo hoe havana, araka ny teniny hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Fa iray ihany no niavian’izy roa, na izay manamasina, na ireo izay hamasinina; koa izany no tsy mahamenatra Azy hiantso ireo hoe rahalahy,

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

11 Fa na i Jesoa nanadio ny olombelona ho afaka amin’ny fahotana, na ireo olombelona nodioviny, dia iray fiaviana avokoa. Noho izany, dia tsy menatra i Jesoa miantso azy ireo hoe zandriny,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Fa na i Jesoa nanadio ny olombelona ho afaka amin’ny fahotana, na ireo olombelona nodioviny, dia iray fiaviana avokoa. Noho izany, dia tsy menatra i Jesoa miantso azy ireo hoe zandriny,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Fa iray no nihavian’izy roroa, na Izay manamasina, na izay hamasinina; koa izany no tsy mahamenatra Azy hanao ireo hoe: ,rahalahy’

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Fa iray no nihavian'izy roroa, na Izay manamasina, na izay hamasinina; koa izany no tsy mahamenatra Azy hanao ireo hoe "rahalahy"

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Fa iray ihany no niavian’izy roa, na izay manamasina, na ireo izay hamasinina; koa izany no tsy mahamenatra Azy hiantso ireo hoe rahalahy,

Jereo ny toko dika mitovy




Hebreo 2:11
19 Rohy Ifampitohizana  

Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko marina aminareo fa isaky ny nanao izany tamin’ny anankiray amin’ireto havako kely indrindra ireto ianareo, dia nanao izany tamiko.


Dia hoy i Jesoa taminy: «Aza matahotra, fa mandehana asaovy mankany Galilea ny rahalahiko, fa any no hahitany Ahy.»


Dia nijery izay nipetraka nanodidina Azy Izy ka nanao hoe: «Ireo no reniko sy rahalahiko;


Izay ho menatra Ahy sy ny teniko amin’ity taranaka mpijangajanga sy mpanota ity, dia ho menatra azy koa ny Zanak’olona rehefa avy, amin’ny voninahitry ny Rainy Izy, otronin’ny Anjely masina.»


Fa izay menatra Ahy sy ny teniko, ho menatra azy koa ny Zanak’olona raha avy amin’ny voninahiny sy ny an’ny Rainy, ary ny an’ny Anjely masina.»


Manamasina ny Tenako ho azy ireo Aho, mba hohamasinina amin’ny fahamarinana koa izy.


mba ho iray izy rehetra, tahaka Anao, Ray, ato amiko, ary Izaho ao aminao, ary mba ho iray ao amintsika koa izy, ka hinoan’ny olona fa Ianao no naniraka Ahy.


«Aza mikasika Ahy, hoy i Jesoa taminy, fa mbola tsy niakatra tany amin’ny Ray Aho, fa mandehana mankany amin’ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: Miakatra ho any amin’ny Raiko sy Rainareo Aho, ary any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo.»


Avy tamin’ny olona iray no nampiaviany ny firenena rehetra, mba hamenoany mponina ny vohon’ny tany rehetra, ary Izy ihany no nametra ny taona hisiany sy ny faritany honenany avy,


fa ao anatiny no ivelomantsika, sy ihetsiketsehantsika, ary iainantsika, araka ny voalazan’ny mpanao tononkira sasany taminareo hoe: ‹Taranany koa isika.›


Satria izay fantany rahateo no notendreny hitovy endrika amin’ny Zanany koa, mba ho Lahimatoa amin’ny rahalahy maro Izy.


fa rehefa feno ny andro, dia nirahin’Andriamanitra ny zanany, nateraky ny vehivavy, sy nateraka teo ambanin’ny Lalàna,


ary ny herin’izany sitrapo izany no nanamasinana antsika, tamin’ny nanoloran’i Jesoa Kristy ny Vatany indray mandeha monja.


Fanatitra iray monja dia ampy handavorariany mandrakizay izay nohamasininy.


fa tany tsara lavitra no iriny, dia ny lanitra izany. Ka noho Andriamanitra efa namboatra tanàna ho azy, dia tsy menatra Izy hantsoiny hoe: Andriamanitr’izy ireo.


Ary toy izany koa ny nijalian’i Jesoa tany ivelan’ny vavahady, mba hanamasinany ny olona amin’ny Rany.


Koa satria mana-nofo aman-dra ny zaza, dia mba naka izany koa Izy, handringanany amin’ny fahafatesany ilay manana ny fanjakan’ny fahafatesana, dia ny devoly,


Koa amin’izany, ry havana masina, mpiombona amin’ny fiantsoana ho any an-danitra, diniho ilay Apôstôly sy ny mpisorom-ben’ny finoana arahintsika, dia i Jesoa,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra