Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Hebreo 10:1 - Baiboly Katolika

Ny Lalàna moa dia tsy misy afa-tsy aloky ny soa ho avy, fa tsy ny tena endri-javatra, ka ireny sorona tsy niova sy fanatitra isan-taona ireny dia tsy nahalavorariany izay olona nanatona velively akory.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Eny, ny lalàna dia mitondra aloky ny zava-tsoa ho avy, fa tsy ny tena endrik’ireny. Ny lalàna dia tsy mahatonga ho tanteraka ny olona izay manatona ka mitondra fanatitra atolotra tsy tapaka isan-taona.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Tsy fanehoana ny tena izy tsy akory ny lalàna jiosy, fa tandindon’ny zava-tsoa ho avy. Tsy mahatanteraka velively ny olona manantena an’Andriamanitra ny lalàna jiosy, na dia naverimberina isan-taona hatrany hatrany aza ny fanolorana ireo sorona ireo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tsy fanehoana ny tena izy tsy akory ny lalàna jiosy, fa tandindon’ny zava-tsoa ho avy. Tsy mahatanteraka velively ny olona manantena an’Andriamanitra ny lalàna jiosy, na dia naverimberina isan-taona hatrany hatrany aza ny fanolorana ireo sorona ireo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa ny lalàna, izay misy aloky ny zava-tsoa ho avy, fa tsy ny tena endrik’izany zavatra izany, dia tsy mba mahatanteraka ny olona manatona amin’izay fanatitra ateriny mandrakariva isan-taona.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa ny lalàna, izay misy aloky ny zava-tsoa ho avy, fa tsy ny tena endrik'izany zavatra izany, dia tsy mba mahatanteraka ny olona manatona amin'izay fanatitra ateriny mandrakariva isan-taona.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Eny, ny lalàna dia mitondra aloky ny zava-tsoa ho avy, fa tsy ny tena endrik’ireny. Ny lalàna dia tsy mahatonga ho tanteraka ny olona izay manatona ka mitondra fanatitra atolotra tsy tapaka isan-taona.

Jereo ny toko



Hebreo 10:1
13 Rohy Ifampitohizana  

Natolony koa ny sorona dorana, ary novonoiny araka ny fomba fanaovana azy.


Satria izay tsy vitan’ny Lalàna noho izy tsy nanan-kery azon’ny nofo, dia vitan’Andriamanitra tamin’ny nanirahany ny Zanany tao amin’ny endriky ny nofom-pahotana sy noho ny fahotana, ka nanameloka ny fahotana tao amin’ny nofony,


satria aloky ny zavatra ho avy fotsiny ireny, fa ao amin’i Kristy ny tena zavatra.


dia aoka isika hanatona amin’ny fo mahitsy sy amim-pinoana feno, ary amin’ny fo voafafy ho afaka amin’ny fieritreretana mipentina ota, sy amin’ny vatana voasasa tamin’ny rano madio.


Koa raha tahiny nahalavorary zavatra ny fisoronan’i Levi, fa tamin’izany no nandraisan’ny olona ny Lalàna, ahoana indray àry no ilàna Mpisorona hafa araka ny fomban’i Melkisedeka, fa tsy araka ny fomban’i Aarôna?


ireo dia sary sy tandindon’ny any an-danitra fotsiny no fanompoana ataony, araka ny natoron’Andriamanitra an’i Môizy ilay efa hanao ny tranolay iny izy hoe: «Tandremo mba ho vita araka ny ohatra naseho anao tany an-tendrombohitra ny zavatra rehetra.»


Fa i Kristy kosa, nony efa tonga mpisorom-be ny amin’ny soa ho avy, dia namaky tranolay tsara lavitra sy lavorary lavitra, tsy nataon-tanana, izany hoe tsy mba anisan’izao zava-boaary izao;


Koa raha ny tandindon’ny zavatra any an-danitra no tsy maintsy ho nodiovina toy izany, mainka sorona tsara lavitra noho ireny no tsy maintsy nanamasinana ny tenan’ny zavatra any an-danitra.


Ary tsy mba toy ny mpisorom-be niditra isan-taona tao amin’ny fitoerana masina sy nitondra ran-javatra hafa Izy, ka hoe hanolo-tena matetika;