Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 8:22 - Baiboly Katolika

Amin’izao sisa izao, raha mbola maharitra koa ny tany, dia tsy ho tapaka ny famafazana sy ny fijinjana, ny hatsiaka sy ny hafanàna, ny fahavaratra sy ny ririnina, ary ny andro sy ny alina.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Raha mbola maharitra koa ny tany dia tsy hanam-pitsaharana ny fotoam-pamafazana sy ny fotoam-pijinjana, ny hatsiaka sy ny hafanana, ny fahavaratra sy ny ririnina ary ny andro sy ny alina.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Raha mbola tany koa ny tany, dia tsy hanam-pitsaharana mihitsy ny famafazana sy ny fijinjana, ny hafanana sy ny hatsiaka, ny fahavaratra sy ny ririnina, ary ny andro sy ny alina.»

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Raha mbola tany koa ny tany, dia tsy hanam-pitsaharana mihitsy ny famafazana sy ny fijinjana, ny hafanana sy ny hatsiaka, ny fahavaratra sy ny ririnina, ary ny andro sy ny alina.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Raha mbola maharitra koa ny tany, dia tsy hanam-pitsaharana ny taom-pamafazana sy ny taom-pijinjana, ary ny hatsiaka sy ny hafanana ary ny fahavaratra sy ny ririnina, ary ny andro sy ny alina.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Raha mbola maharitra koa ny tany, dia tsy hanam-pitsaharana ny taom-pamafazana sy ny taom-pijinjana, ary ny hatsiaka sy ny hafanana ary ny fahavaratra sy ny ririnina,ary ny andro sy ny alina.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Raha mbola maharitra koa ny tany dia tsy hanam-pitsaharana ny fotoam-pamafazana sy ny fotoam-pijinjana, ny hatsiaka sy ny hafanana, ny fahavaratra sy ny ririnina ary ny andro sy ny alina.

Jereo ny toko



Genesisy 8:22
9 Rohy Ifampitohizana  

Fa efa roa taona izao no nisian’ny mosary amin’ity tany ity; ary mbola dimy taona koa no tsy hiasàn-tany, na hijinjàna.


«Ny andro enina no hiasanao; fa ny andro fahafito kosa hitsaharanao, na dia amin’ny taom-piasana tany amam-pamoriam-bokatra aza.»


Izao no lazain’i Iaveh, izay manome ny masoandro, hanazava amin’ny antoandro; sy mametra lalàna harahin’ny volana aman-kintana hanazava amin’ny alina; mampanonja ny ranomasina, ka mirohondrohona ny onjany; - i Iavehn’ny tafika no Anarany: -


Fa tsy mba manao anakam-po hoe: Aoka isika hatahotra an’i Iaveh Andriamanitsika, izay mandatsaka ny ranonorana, dia ny loha orana sy ny fara orana, amin’ny fotoany avy, sady mitandrina ho antsika ireo herinandro voatendry ho fararano.


Koa mahareta àry, ry kristianina havako, mandra-piavin’ny Tompo. Jereo ange ny mpiasa tany izay manantena ny vokatsoan’ny tany: miandry amim-paharetana izy, mandra-pahazony ny ranonorana aloha sy aoriana.