Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 8:18 - Baiboly Katolika

Dia nivoaka i Nôe, izy sy ny zanany sy ny vadiny sy ny vinantovaviny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nivoaka avy tao i Noa sy ny vady aman-janany ary ny vinantovaviny niaraka taminy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia nivoaka avy tao amin’ny sambofiara i Noà sy ny vadiny sy ireo zanany lahy ary ireo vinantovaviny.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nivoaka avy tao amin’ny sambofiara i Noà sy ny vadiny sy ireo zanany lahy ary ireo vinantovaviny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nivoaka Noa mbamin’ny vadiny aman-janany ary ny vinantonivavy niaraka taminy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nivoaka Noa mbamin'ny vadiny aman-janany ary ny vinantonivavy niaraka taminy;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nivoaka avy tao i Noa sy ny vady aman-janany ary ny vinantovaviny niaraka taminy.

Jereo ny toko



Genesisy 8:18
5 Rohy Ifampitohizana  

Ringana avokoa rehefa mety ho zavatra tambonin’ny tany, hatramin’ny olombelona ka hatramin’ny biby fiompy sy ny zava-mikisaka mbamin’ny vorona eny amin’ny habakabaka; levona tsy nisy teto an-tany intsony izany; fa i Nôe sy ireo niara-nitoetra taminy tao an-tsambo fiara ihany no sisa.


Ento mivoaka miaraka aminao koa ny biby rehetra isan-karazany izay ao aminao, na vorona, na biby fiompy, ary ny biby rehetra mikisaka amin’ny tany: aoka hiely amin’ny tany ireny, ka ho maro anaka sy hihabetsaka eny ambonin’ny tany.»


Ary nivoaka avy tao an-tsambo fiara ny biby rehetra, ny biby mikisaka rehetra mbamin’ny vorona rehetra, dia izao zava-mihetsiketsika rehetra eto ambonin’ny tany izao, samy araka ny karazany avy.


Hiaro anao i Iaveh, na mivoaka na miditra ianao, hatramin’izao ka ho mandrakizay.


dia ireo fanahy tsy nino fahiny, fony niandry ny fahari-pon’Andriamanitra tamin’ny andron’i Nôe, mandritra ny nandrafetana ny sambo fiara, izay nampidirana olona vitsy, dia valo monja, sy namonjena azy teo tamin’ny rano.