Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 8:11 - Baiboly Katolika

Ary niverina nankeo aminy ny voromahailala nony harivariva, ary indro ravin’ôliva nilenodenoka anankiray teny am-bavany, ka fantatr’i Nôe fa efa tsy voasaron’ny rano intsony ny tany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia niditra teo aminy ilay voromailala nony hariva ny andro ary indro, nisy ravin’oliva maitso teo am-bavany! Izany no nahafantaran’i Noa fa efa kely ny rano teny ambonin’ny tany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Fa niverina tany amin’i Noà ilay voromahailala, nony hariva, ka hita nitondra ravin’ôliva maitso teny am-bavany. Dia fantatr’i Noà tamin’izany fa efa nihena ny rano tambonin’ny tany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa niverina tany amin’i Noà ilay voromahailala, nony hariva, ka hita nitondra ravin’ôliva maitso teny am-bavany. Dia fantatr’i Noà tamin’izany fa efa nihena ny rano tambonin’ny tany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia niditra teo aminy ilay voromailala nony hariva ny andro; ary, indro, nisy ravin’oliva maitso teo am-bavany; izany no nahafantaran’i Noa fa efa kely ny rano tambonin’ny tany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia niditra teo aminy ilay voromailala nony hariva ny andro; ary, indro, nisy ravin'oliva maitso teo am-bavany; izany no nahafantaran'i Noa fa efa kely ny rano tambonin'ny tany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia niditra teo aminy ilay voromailala nony hariva ny andro ary indro, nisy ravin’oliva maitso teo am-bavany! Izany no nahafantaran’i Noa fa efa kely ny rano teny ambonin’ny tany.

Jereo ny toko



Genesisy 8:11
5 Rohy Ifampitohizana  

Mbola niandry hafitoana indray izy, vao nandefa fanindroany ny voromahailala ho any ivelan’ny sambo fiara.


Mbola niandry hafitoana indray izy dia nandefa ny voromahailala ary tsy niverina nankeo aminy intsony izy.


sy tsy maintsy manao fiantsoana ampahibemaso eo amin’ny tanànany rehetra sy any Jerosalema hoe: «Mankanesa any an-tendrombohitra ianareo dia mitondrà sampan’ôliva, sampan’ôliva maniry ho azy, sampan-drofia, ary sampan-kazo milobolobo, hanaovan-trano lay araka ny voasoratra.»


Ary hatao ahoana no fitory raha tsy misy irahina? araka ny voasoratra hoe: «Endrey ny hatsaran’ny tongotr’ireto mitory hasambarana!»