Ny fanekeko anefa dia haoriko amin’i Isaaka, izay haterak’i Sarà, vadinao, ho anao, raha avin-taona toy izao.»
Genesisy 6:18 - Baiboly Katolika Fa hanao fanekem-pihavanana aminao kosa aho, ary hiditra ao an-tsambo fiara ianao sy ny zanakao, ny vadinao sy ny vinantovavinao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nefa kosa haoriko aminao ny fanekeko; hiditra ao anatin’ny sambofiara ianao sy ny vady aman-janakao mbamin’ny vinantovavinao izay miaraka aminao. DIEM PROTESTANTA Fa hajoroko kosa ny fanekempihavanako aminao, ka hiditra ao amin’ny sambofiara ianao sy ny vadinao mbamin’ireo zanakao lahy sy ny vinantovavinao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa hajoroko kosa ny fanekempihavanako aminao, ka hiditra ao amin’ny sambofiara ianao sy ny vadinao mbamin’ireo zanakao lahy sy ny vinantovavinao. Baiboly Protestanta Malagasy Nefa kosa haoriko ny fanekeko aminao; ary hiditra ao anatin’ny sambo-fiara hianao sy ny vadinao aman-janakao mbamin’ny vinantonao-vavy miaraka aminao. Malagasy Bible Nefa kosa haoriko ny fanekeko aminao; ary hiditra ao anatin'ny sambo-fiara ianao sy ny vadinao aman-janakao mbamin'ny vinantonao vavy miaraka aminao. La Bible en Malgache Nefa kosa haoriko aminao ny fanekeko; hiditra ao anatin’ny sambofiara ianao sy ny vady aman-janakao mbamin’ny vinantovavinao izay miaraka aminao. |
Ny fanekeko anefa dia haoriko amin’i Isaaka, izay haterak’i Sarà, vadinao, ho anao, raha avin-taona toy izao.»
«Ny amiko dia izao no fanekeko aminao: Ianao dia ho tonga rain’ny firenena tsy hita isa,
Manao fanekena aminao Aho, aminao sy amin’ny taranakao, hanaraka anao amin’ny taona mifandimby, dia ho fanekena maharitra mandrakizay, mba ho Andriamanitrao Aho, sy ho Andriamanitry ny taranakao handimby anao.
Hoy i Iaveh tamin’i Nôe: «Midira ao an-tsambo fiara ianao sy ny ankohonanao rehetra, fa amin’izao olona miara-belona aminao izao, dia ianao no hitako ho olo-marina eo anatrehako.
Tamin’izay andro izay dia niditra tao an-tsambo fiara i Nôe, nomban’i Sema sy i Kama ary i Jafeta, zanakalahin’i Nôe, ary ny vadin’i Nôe, sy ny vinantovaviny telo niaraka taminy;
Niditra ao an-tsambo fiara i Nôe mbamin’ny zanany sy ny vadiny ary ny vinantovaviny mba tsy ho tratry ny safodrano.
Mandehana, ry vahoakako, midira ao an’efitranonao, ka mirindrìna varavarana ianao rehefa ao; miere vetivety foana, mandra-pahalasan’ny fahatezerana.
Ny finoana no nandrafetan’i Nôe ny sambo fiara hamonjena ny fianakaviany, fa natahotra izy nony efa nilazan’Andriamanitra ny zavatra mbola tsy hita; ary izany no nanamelohany an’izao tontolo izao sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana izay azo amin’ny finoana.
dia ireo fanahy tsy nino fahiny, fony niandry ny fahari-pon’Andriamanitra tamin’ny andron’i Nôe, mandritra ny nandrafetana ny sambo fiara, izay nampidirana olona vitsy, dia valo monja, sy namonjena azy teo tamin’ny rano.
matoa tsy namindra fo tamin’izao tontolo izao fahiny Izy, afa-tsy tamin’i Nôe valo mianaka, mpitory ny fahamarinana, fony Izy nahatonga safodrano tamin’izao tontolo ratsy fanahy izao;