Nony tonga teo am-pamoloan’i Atada ao andafin’i Jordany izy ireo dia nitomany amam-pigogogogoana mafy, fa nanokana hafitoana hanaovana fisaonana ho voninahitry ny rainy i Josefa.
Genesisy 50:3 - Baiboly Katolika Efapolo andro no nanaovan’ireo an’izany, fa izany no fetr’andro fanosoram-paty. Ary fitopolo andro no nisaonan’ny Ejiptianina azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Naharitra efapolo andro izany, fa izany no isan’ny andro fanosoram-paty. Ary nisaona azy fitopolo andro ny Ejiptiana. DIEM PROTESTANTA nandritra ny efapolo andro ngarangidina mba hitahirizana azy. Ary nisaona an’i Jakôba nandritra ny fitopolo andro ny Ejiptianina. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara nandritra ny efapolo andro ngarangidina mba hitahirizana azy. Ary nisaona an’i Jakôba nandritra ny fitopolo andro ny Ejiptianina. Baiboly Protestanta Malagasy Ary notanterahiny taminy ny efa-polo andro, fa izany no isan’ny andro nanosoram-paty; ary ny Egyptiana nisaona azy fito-polo andro. Malagasy Bible Ary notanterahiny taminy ny efa-polo andro, fa izany no isan'ny andro nanosoram-paty; ary ny Egyptiana nisaona azy fito-polo andro. La Bible en Malgache Naharitra efapolo andro izany, fa izany no isan’ny andro fanosoram-paty. Ary nisaona azy fitopolo andro ny Ejiptiana. |
Nony tonga teo am-pamoloan’i Atada ao andafin’i Jordany izy ireo dia nitomany amam-pigogogogoana mafy, fa nanokana hafitoana hanaovana fisaonana ho voninahitry ny rainy i Josefa.
Nony tapitra ny andro nisaonany azy, dia niteny i Josefa tamin’ny olona ao an-tranon’i Faraôna nanao hoe: «Raha mba nahita fitia teo imasonareo koa aho, dia mba lazao kely ho henon’i Faraôna izao:
ny fitafiany tamin’ny nahababo azy havelany, ary izy hitoetra ao an-tranonao, hitomany ny ray aman-dreniny iray volana izy; raha efa izany dia handeha aminy ianao, ka ianao ho vadiny, izy ho vadinao.
Nisaona an’i Môizy telopolo andro tao amin’ny tany lemak’i Moaba ny zanak’i Israely ka tapitra ny andro fitomaniana tamin’ny fisaonana an’i Môizy.