Koa aza manan-tahotra akory, fa hamelona anareo, na ny tenanareo na ny zanakareo, aho.» Toy izany no nampiononany azy tamin’ny teny mankamin’ny fon’izy ireo.
Genesisy 50:22 - Baiboly Katolika Ka dia nonina tany Ejipta i Josefa, izy sy ny ankohonan-drainy. Folo amby zato taona no andro niainany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary i Josefa sy ny ankohonan’ny rainy dia nonina tany Ejipta. Folo amby zato taona ny andro niainan’i Josefa. DIEM PROTESTANTA Nipetraka tany Ejipta i Jôsefa sy ny ankohonan-drainy. Folo amby zato taona no andro niainan’i Jôsefa, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nipetraka tany Ejipta i Jôsefa sy ny ankohonan-drainy. Folo amby zato taona no andro niainan’i Jôsefa, Baiboly Protestanta Malagasy Ary Josefa sy ny ankohonan’ny rainy nonina tany Egypta; ary ny andro niainan’i Josefa dia folo amby zato taona. Malagasy Bible Ary Josefa sy ny ankohonan'ny rainy nonina tany Egypta; ary ny andro niainan'i Josefa dia folo amby zato taona. La Bible en Malgache Ary i Josefa sy ny ankohonan’ny rainy dia nonina tany Ejipta. Folo amby zato taona ny andro niainan’i Josefa. |
Koa aza manan-tahotra akory, fa hamelona anareo, na ny tenanareo na ny zanakareo, aho.» Toy izany no nampiononany azy tamin’ny teny mankamin’ny fon’izy ireo.
Nahita ny terak’i Efraima hatramin’ny taranaka fahatelo izy. Ary nisy koa zanak’i Makira zanak’i Manase izay teraka ka noraisin’i Josefa teo am-pofoany.
Dia maty i Josefa rehefa folo amby zato taona. Nohosorana zava-manitra izy, dia napetraka anaty vatam-paty tany Ejipta.
Nony afaka izany dia maty i Jôsoe, zanak’i Nona, mpanompon’i Iaveh, tamin’ny faha 110n’ny taonany.