Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 49:30 - Baiboly Katolika

anatin’ny zohy amin’ny saha Makpelà, tandrifin’i Mambre, any amin’ny tany Kanaana: dia izay novidin’i Abrahama mbamin’ny saha tamin’i Efrôna, Hetenianina, hananany fasana ho azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

ao anatin’ilay zohy izay any amin’ny saha Makpela, izay tandrifin’i Mamre, any amin’ny tany Kanana, dia ilay novidin’i Abrahama niaraka tamin’ny saha, tamin’i Efrona hetita, ho tany fandevenana.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

ilay zohy ao Makpelà akaikin’i Mamre, any amin’ny tany Kanahàna. Novidîn’i Abrahama tamin’i Hefrôna izay hetita io saha io mba ho tany fandevenana.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

ilay zohy ao Makpelà akaikin’i Mamre, any amin’ny tany Kanahàna. Novidîn’i Abrahama tamin’i Hefrôna izay hetita io saha io mba ho tany fandevenana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ao anatin’ny zohy izay any amin’ny saha Makpela, izay tandrifin’i Mamre, any amin’ny tany Kanana, dia ilay novidin’i Abrahama mbamin’ny saha tamin’i Efrona Hetita ho tany fandevenana.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ao anatin'ny zohy izay any amin'ny saha Makpela, izay tandrifin'i Mamre, any amin'ny tany Kanana, dia ilay novidin'i Abrahama mbamin'ny saha tamin'i Efrona Hetita ho tany fandevenana.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

ao anatin’ilay zohy izay any amin’ny saha Makpela, izay tandrifin’i Mamre, any amin’ny tany Kanana, dia ilay novidin’i Abrahama niaraka tamin’ny saha, tamin’i Efrona hetita, ho tany fandevenana.

Jereo ny toko



Genesisy 49:30
6 Rohy Ifampitohizana  

Ka ny saha sy ny zohy ao anatiny dia tapaka lasan’i Abrahama, varo-maty, ho tany fandevenana, avy amin’ny zanak’i Heta.


Dia nitsangana i Abrahama niala teo anilan’ny maty, ka niteny tamin’ny zanak’i Heta hoe:


«Olona hafa firenena sy vahiny eto aminareo aho, ka mba avelao aho hanana tany fandevenana eto aminareo, mba hisy hanalako ny fatin’ny vadiko tsy ho eto anoloako, sy handevenako azy.»


Nalevin’i Isaaka sy i Ismaely zanany izy, tao amin’ny zohy any Makpelà, amin’ny sahan’i Efrôna, zanak’i Seôra Heteanina, tandrifin’i Mambre,