dia nanao hoe: «Tompo ô, raha nahita fitia eo imasonao aho, aza dia lalovana fotsiny lahy ny mpanomponao,
Genesisy 47:25 - Baiboly Katolika Ka hoy ny olona: «Ianao no namonjy ny ainay. Hahita fitia eo imason’itompokolahy anie izahay ary ho mpanompon’i Faraôna izahay.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy izy ireo: Efa namonjy ny ainay ianao. Aoka mba hahita fitia eto imason’Itompokolahy izahay dia ho mpanompon’i Farao! DIEM PROTESTANTA Ka hoy ny navalin’ireo hoe: –Namonjy ny ainay ianao, tompokolahy. Nahita sitraka teo imasonao izahay, koa ekenay ny ho mpanompon’ny Farao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ka hoy ny navalin’ireo hoe: –Namonjy ny ainay ianao, tompokolahy. Nahita sitraka teo imasonao izahay, koa ekenay ny ho mpanompon’ny Farao. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy izy: Efa namonjy ny ainay hianao; aoka mba hahita fitia eto imason’itompokolahy izahay, dia ho mpanompon’i Farao. Malagasy Bible Ary hoy izy: Efa namonjy ny ainay ianao; aoka mba hahita fitia eto imason'itompokolahy izahay, dia ho mpanompon'i Farao. La Bible en Malgache Ary hoy izy ireo: Efa namonjy ny ainay ianao. Aoka mba hahita fitia eto imason’Itompokolahy izahay dia ho mpanompon’i Farao! |
dia nanao hoe: «Tompo ô, raha nahita fitia eo imasonao aho, aza dia lalovana fotsiny lahy ny mpanomponao,
Fa niverina nankeo amin’i Jakôba ny iraka, ka nanao hoe: «Nankany amin’i Esao rahalahinao izahay, ka indro tamy hitsena anao izy omban’olona efajato.»
Dia hoy i Esao: «Avelao àry hamelako hiaraka aminao ahay ny sasany amin’ny olona miaraka amiko.» Fa hoy ny navaliny: «Ahoana no anaovanao izany? Aoka hahita fitia eo imason’ny tompoko aho.»
Nomen’i Faraôna anarana hoe Tsafnata-Paneaka i Josefa; ary natolony ho vadiny i Aseneta zanaka vavin’i Potifara, mpisorona tao Ona. Dia niainga i Josefa hamangy ny tany Ejipta.
Rehefa tonga ny vokatra, ny ampahadiminy moa haterinareo ho an’i Faraôna; ny efa-toko kosa misy hafafinareo amin’ny tany ary misy hivelomanareo sy ny ankohonanareo, sy hiveloman’ny zanakareo.»
Dia nataon’i Josefa lalàna izany amin’ny tany Ejipta, ka mbola velona mandrak’androany, ka araka izany lalàna izany dia an’i Faraôna ny ampahadimin’ny vokatry ny tany any Ejipta, fa ny tanin’ny mpisorona ihany no hany tsy azy.
Ny hanisy ratsy ahy no tao an-tsainareo; fa ny hampisy soa avy amin’izany kosa no tao an-tsain’Andriamanitra, mba hahatanteraka izao hita anio izao, mba hamonjy ny ain’ny vahoaka maro be.
Ny zava-manana aina rehetra, ny nofo rehetra, dia hampidirinao roa avy isan-karazany ho ao an-tsambo fiara, mba ho voatahiry velona aina izy sy ianao: ho lahy iray sy vavy iray avy ireo.
Ary hoy izy: «Akory ity fitia hitako teo imasonao, tompoko! Fa nampionona ahy ianao, ary niteny tamin’ny fon’ny ankizy vavinao ianao, na dia tsy tahaka ny anankiray amin’ny ankizy vavinao akory aza aho».