Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 45:7 - Baiboly Katolika

Ka nampandehanin’Andriamanitra aho hialoha anareo tsy ho lany tamingana amin’ny tany sy hampaharitra anareo ho amin’ny fanavotana lehibe.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Andriamanitra no nandefa ahy hialoha anareo mba tsy hahalany taranaka anareo amin’ny tany fa hamelona anareo amin’ny famonjena lehibe.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Andriamanitra no nandefa ahy nialoha anareo tamin’ity tany ity mba tsy hahalany taranaka anareo ary mba hamelomana ny ainareo; ka famonjena lehibe izany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Andriamanitra no nandefa ahy nialoha anareo tamin’ity tany ity mba tsy hahalany taranaka anareo ary mba hamelomana ny ainareo; ka famonjena lehibe izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Andriamanitra efa nampandeha ahy hialoha anareo, mba tsy hahalany taranaka anareo amin’ny tany, fa hamelona anareo amin’ny famonjena lehibe.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Andriamanitra efa nampandeha ahy hialoha anareo, mba tsy hahalany taranaka anareo amin'ny tany, fa hamelona anareo amin'ny famonjena lehibe.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Andriamanitra no nandefa ahy hialoha anareo mba tsy hahalany taranaka anareo amin’ny tany fa hamelona anareo amin’ny famonjena lehibe.

Jereo ny toko



Genesisy 45:7
8 Rohy Ifampitohizana  

Ary ankehitriny, aza malahelo na tezitra amin’ny tenanareo, noho ny nivarotanareo ahy ho aty, fa hamonjy aina anareo no nampandehanan’Andriamanitra ahy hialoha anareo.


Ary i Josefa no nanome hanina an-drainy sy ny rahalahiny mbamin’ny ankohonan-drainy rehetra, araka ny isan-janany avy.


Ny hanisy ratsy ahy no tao an-tsainareo; fa ny hampisy soa avy amin’izany kosa no tao an-tsain’Andriamanitra, mba hahatanteraka izao hita anio izao, mba hamonjy ny ain’ny vahoaka maro be.


Lasa nankeo afovoan’ny saha izy ireo, niaro azy sy nandresy ny Filistinina, dia nanao famonjena lehibe i Iaveh.


Noho izany dia hidera Anao aho, ry Iaveh, eo amin’ny firenena, hihira ho an’ny voninahitry ny Anaranao aho.


Satria tsy ny sabatr’izy ireo no nahazoany ny tany, tsy ny sandrin’izy ireo no nahazoany fandresena, fa ny tananao ankavanana, ny sandrinao, ny fahazavan’ny Tavanao, satria tia azy Ianao.


«Io ilay Môizy nolaviny sy nataony hoe: ‹Iza moa no nanendry an’ialahy ho mpifehy sy mpitsara?› Kanjo izy ihany no nirahin’Andriamanitra ho mpifehy sy mpanavotra, nomban’ilay Anjely niseho taminy tao amin’ny hazo kely milobolobo.


Ary main’ny hetaheta i Samsôna, ka nitalaho tamin’i Iaveh nanao hoe: «Ianao no nanome izao famonjen-dehibe izao, tamin’ny tanan’ny mpanomponao, ary ankehitriny dia ho fatin’ny hetaheta va aho sy ho latsaka eo an-tanan’ny tsy mifora?»