Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 44:5 - Baiboly Katolika

Tsy iny kôpy iny va no fisotroan’ny tompoko, ka entiny maminany? Ratsy izany nataonareo izany.› »

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Tsy iny va ilay kapoaka fisotroan’ny tompoko sy famantarany zavatra? Ratsy izao nataonareo izao!

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nahoana no nangalarinareo ny tsangambava izay fisotroan’ny tompoko sy fanaovany sikidy? Ratsy izao nataonareo izao!»

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nahoana no nangalarinareo ny tsangambava izay fisotroan’ny tompoko sy fanaovany sikidy? Ratsy izao nataonareo izao!»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Tsy iny va no fisotroan’ny tompoko sy famantarany zavatra? ratsy izao nataonareo izao.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Tsy iny va no fisotroan'ny tompoko sy famantarany zavatra? ratsy izao nataonareo izao.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Tsy iny va ilay kapoaka fisotroan’ny tompoko sy famantarany zavatra? Ratsy izao nataonareo izao!

Jereo ny toko



Genesisy 44:5
7 Rohy Ifampitohizana  

Fa hoy i Labàna taminy: «Raha mba nahita fitia teo imasonao ihany aho re, dia hitako fa ianao no nanambinan’i Iaveh ahy.


Dia hoy i Josefa taminy: «Ahoana izao zavatra nataonareo izao? Tsy fantatrareo va fa ny lehilahy toa ahy izao dia hahavinany?»


Nony tratran’ny mpikarakara izy ireo dia nilazany an’izany teny izany, ka izao no navaliny azy:


Noraisin’ireo olona ireo ho fambara tsara izany teny izany, ka novonjeny nosamborina faingana izany teny izany nataony hoe: «Rahalahinao i Benadaba.» Dia hoy i Akaba: «Mandehana alao izy.» Nony tonga teo aminy i Benadaba, dia nasainy niakatra ho amin’ny kalesiny.


Nampamakiany ny afo ny zanany, narahiny ny fanandroana sy ny sikidy, natsangany ny mpiantso ny maty sy ny mpanao ody, ka nandroso nandroso ihany izy nanao izay ratsy teo imason’i Iaveh hampahatezerany azy.


Aza mihinan-javatra miharo ra. Aza manao sikidy na fankatoavana.