Tonga nampionona azy avokoa ny zanany lahy aman-janany vavy rehetra; nefa tsy nety nionona izy, fa hoy izy: «Hidina misaona ho any amin’ny zanako any amin’ny fonenan’ny maty aho.» Ary nitomany azy, ity rainy.
Genesisy 44:29 - Baiboly Katolika Ary ity iray, raha alainareo koa, ka mahita loza any, dia hampidininareo any amin’ny fonenan’ny maty amin’alahelo, ny voloko fotsy.› Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Raha halainareo hiala amiko koa ity ka hisy loza hanjo azy dia hampidininareo any amin’ny fitoeran’ny maty amim-pahoriana ny volofotsiko. DIEM PROTESTANTA Kanefa dia tadiavinareo halaina amiko indray ity ny anankiray. Raha hiharan-doza izy, dia ianareo no hahatonga ity tenako efa antitra ity ho difotr’alahelo hankany amin’ny toeran’ny maty.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Kanefa dia tadiavinareo halaina amiko indray ity ny anankiray. Raha hiharan-doza izy, dia ianareo no hahatonga ity tenako efa antitra ity ho difotr’alahelo hankany amin’ny toeran’ny maty.» Baiboly Protestanta Malagasy ary raha halainareo hiala eto anoloako koa ity, ka hisy loza hanjo azy koa, dia hampidininareo any amin’ny fiainantsi-hita amim-pahoriana ny volo fotsiko. Malagasy Bible ary raha halainareo hiala eto anoloako koa ity, ka hisy loza hanjo azy koa, dia hampidininareo any amin'ny fiainan-tsi-hita amim-pahoriana ny volo fotsiko. La Bible en Malgache Raha halainareo hiala amiko koa ity ka hisy loza hanjo azy dia hampidininareo any amin’ny fitoeran’ny maty* amim-pahoriana ny volofotsiko. |
Tonga nampionona azy avokoa ny zanany lahy aman-janany vavy rehetra; nefa tsy nety nionona izy, fa hoy izy: «Hidina misaona ho any amin’ny zanako any amin’ny fonenan’ny maty aho.» Ary nitomany azy, ity rainy.
Hoy i Jakôba rainy taminy: «Foananareo anaka aho, fa i Josefa tsy eto intsony, i Simeôna koa tsy eto, i Benjamina indray halainareo; ary izaho ihany no itambesaran’izany rehetra izany.»
Fa hoy izy: «Tsy hiara-midina aminareo ny zanako. Ny rahalahiny efa maty, izy irery no sisa. Ka raha hidiran-doza any amin’izay lalan-kalehanareo any izy, dia hampidininareo any amin’ny fonenan’ny maty amin’alahelo, ny voloko fotsy.»
Fa i Benjamina rahalahin’i Josefa tsy mba nampandehanin’i Jakôba niaraka amin’ireo rahalahiny, fa hoy ny eritreriny: «Sao dia idiran-doza any izy.»
Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra anie hampahita fitia anareo eo imason-dralehilahy, mba havelany hody miaraka aminareo ilay rahalahinareo anankiray, sy i Benjamina. Ary ny amiko raha anjarako ny hofoanana anaka dia aoka ihany ho foana anaka aho.»
raha vao hitany fa tsy eo ny zaza dia ho faty izy; izahay mpanomponao izany, no hampidina amin’alahelo ny volofotsin-drainay, mpanomponao, any amin’ny fonenan’ny maty.
Dia hirehitra aminy ny fahatezerako amin’izany, hafoiko izy, ary hafeniko aminy ny Tavako, ka dia hataon’ny olona levona izy, sady hianjeran-doza amam-pahoriana be dia be. Izay vao ho vaky hoe: Moa ve tsy noho Andriamanitro tsy eto amiko no nianjeran’izao fahoriana izao amiko?