Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 44:28 - Baiboly Katolika

ny iray efa lasa tafasaraka tamiko, ka hoy aho hoe: Tsy maintsy ho voaviraviram-biby izy, satria tsy hitako intsony mandrak’androany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Lasa niala tamiko ny iray ka hoy aho: Tena voaviraviran’ny biby izy ka tsy hitako mandraka ankehitriny.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ny anankiray dia niala teto amiko; ary heveriko fa lanin’ny bibidia tokoa izy, satria tsy hitako intsony mandraka androany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny anankiray dia niala teto amiko; ary heveriko fa lanin’ny bibidia tokoa izy, satria tsy hitako intsony mandraka androany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

fa lasa niala tamiko ny anankiray, ka hoy izaho: Voaviraviram-biby tokoa izy; ary tsy mbola hitako mandraka ankehitriny izy;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

fa lasa niala tamiko ny anankiray, ka hoy izaho: Voaviraviram-biby tokoa izy; ary tsy mbola hitako mandraka ankehitriny izy;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Lasa niala tamiko ny iray ka hoy aho: Tena voaviraviran’ny biby izy ka tsy hitako mandraka ankehitriny.

Jereo ny toko



Genesisy 44:28
5 Rohy Ifampitohizana  

Fa nalain’ireo rahalahiny kosa ny akanjon’i Josefa, ka namono osilahy izy, ary natsobony tamin’ny ra ny akanjo.


Fantatr’i Jakôba fa izy io, ka hoy izy: «Ny akanjon-janako tokoa. Lanin’ny biby masiaka izy! Voaviravira tokoa i Josefa.»


Hoy i Jakôba rainy taminy: «Foananareo anaka aho, fa i Josefa tsy eto intsony, i Simeôna koa tsy eto, i Benjamina indray halainareo; ary izaho ihany no itambesaran’izany rehetra izany.»


Fa hoy izy: «Tsy hiara-midina aminareo ny zanako. Ny rahalahiny efa maty, izy irery no sisa. Ka raha hidiran-doza any amin’izay lalan-kalehanareo any izy, dia hampidininareo any amin’ny fonenan’ny maty amin’alahelo, ny voloko fotsy.»