Ka hotsapaina ny amin’izany ianareo. Raha velona koa i Faraôna tsy hiala aty ianareo, raha tsy tonga ilay zandrinareo faralahy.
Genesisy 44:21 - Baiboly Katolika Ary ianao nilaza tamin’ny mpanomponao hoe: ‹Ento midina aty amiko izy mba ho hitan’ny masoko.› Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary niteny tamin’ny mpanomponao ianao hoe: Ento mankaty amiko izy mba ho hitan’ny masoko. DIEM PROTESTANTA Dia nilaza taminay ianao hoe: «Ento aty amiko izy, fa tiako ho hita.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nilaza taminay ianao hoe: «Ento aty amiko izy, fa tiako ho hita.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary hianao nanao tamin’ny mpanomponao hoe: Ento mankatỳ amiko izy mba ho hitan’ny masoko. Malagasy Bible Ary ianao nanao tamin'ny mpanomponao hoe: Ento mankaty amiko izy mba ho hitan'ny masoko. La Bible en Malgache Ary niteny tamin’ny mpanomponao ianao hoe: Ento mankaty amiko izy mba ho hitan’ny masoko. |
Ka hotsapaina ny amin’izany ianareo. Raha velona koa i Faraôna tsy hiala aty ianareo, raha tsy tonga ilay zandrinareo faralahy.
Ka ento mankaty amiko ny zandrinareo faralahy; dia ho hita fa marina ny teninareo, ka tsy ho faty ianareo.» Dia nataony izany.
Natopin’i Josefa ny masony ka nahita an’i Benjamina rahalahiny, zanaky ny reniny, izy; hoy izy: «Io va no zandrinareo faralahy ilay noresahinareo tamiko?» Ary hoy izy: «Hambinin’Andriamanitra anie ianao, anaka.»
Dia namaly ny tompoko izahay nanao hoe: ‹Tsy mahazo misaraka amin-drainy ilay zaza; fa raha ilaozan’izay ny rainy dia ho faty tokoa.›
Hitsinjo azy ireo ny masoko hanasoa azy, ka hampodiko ho amin’ity tany ity; haoriko izy, ka tsy horavako intsony; hamboleko izy, ka tsy hongotako intsony.
Ary ianao izao, dia indro fa novahako ny fatorana tamin’ny tananao, ka sitrakao moa ny hiaraka amiko ho any Babilôna, dia andeha fa hitandrina anao aho; tsy sitrakao kosa ny hiaraka amiko any Babilôna, dia aoka tsy hoheverina izany. Jereo, eo anoloanao ny tany rehetra, ka mandehana amin’izay heverinao ho tsara sy mety.»
Ary raha lasan-ko babo eo anoloan’ny fahavalony izy, hodidiako hamono azy any ny sabatra. Ka hifàntoka aminy ny masoko, nefa tsy hahatonga soa, fa loza ho azy izany.