Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 43:8 - Baiboly Katolika

Ary i Jodà nilaza tamin’i Israely rainy hoe: «Avelao handeha ny zaza hiaraka amiko, hiaingànay sy handehananay, mba samy ho velona isika fa tsy ho faty na izahay sy ianao, na ny zanatsika madinika.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary hoy i Joda tamin’Israely rainy: Ampandehano miaraka amiko ny zaza, dia hiainga izahay ka handeha, mba ho velona isika fa tsy ho faty, dia izahay sy ianao ary ny zanatsika madinika koa.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary i Joda kosa nanampy hoe: –Avelao, ry Dada, hiaraka amiko io zanakao io; fa tsy maintsy mandeha izahay, raha te ho velona fa tsy ho faty ianao sy ny tenanay ary ny fianakaviantsika.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary i Joda kosa nanampy hoe: –Avelao, ry Dada, hiaraka amiko io zanakao io; fa tsy maintsy mandeha izahay, raha te ho velona fa tsy ho faty ianao sy ny tenanay ary ny fianakaviantsika.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hoy Joda tamin’Isiraely rainy: Ampandehano hiaraka amiko ny zaza, dia hiainga izahay ka handeha, mba ho velona isika ka tsy ho faty, dia izahay sy hianao ary ny zanatsika madinika koa.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hoy Joda tamin'Isiraely rainy: Ampandehano hiaraka amiko ny zaza, dia hiainga izahay ka handeha, mba ho velona isika ka tsy ho faty, dia izahay sy ianao ary ny zanatsika madinika koa.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary hoy i Joda tamin’Israely rainy: Ampandehano miaraka amiko ny zaza, dia hiainga izahay ka handeha, mba ho velona isika fa tsy ho faty, dia izahay sy ianao ary ny zanatsika madinika koa.

Jereo ny toko



Genesisy 43:8
14 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy izy: «Indro reko fa hoe misy vary any Ejipta, koa andeha midina any ianareo, hividy ho antsika, mba ho velona isika fa tsy ho faty.»


Fa hoy izy: «Tsy hiara-midina aminareo ny zanako. Ny rahalahiny efa maty, izy irery no sisa. Ka raha hidiran-doza any amin’izay lalan-kalehanareo any izy, dia hampidininareo any amin’ny fonenan’ny maty amin’alahelo, ny voloko fotsy.»


Ary izao no navalinay ny tompoko: ‹Manan-dray efa antitra izahay sy zandry faralahy, zanaky ny fahanterany; nanan-drahalahy io zaza io fa efa maty, dia izy irery no sisa tamin’izy iray reny, ka tian-drainy izy.›


dia izao no navalinay: ‹Tsy mahazo midina izahay; fa raha miaraka aminay ny zandrinay faralahy vao hidina izahay; satria tsy mahazo mahita tava an-dralehilahy akory izahay, raha tsy miaraka aminay ny zandrinay.›


Omeko fahefana ianao hilaza aminy hoe: ‹Izao no hataonareo: Makà sarety amin’ny tany Ejipta hitondranareo ny vady aman-janakareo, alao ny rainareo dia mankanesa aty.


Koa aza manan-tahotra akory, fa hamelona anareo, na ny tenanareo na ny zanakareo, aho.» Toy izany no nampiononany azy tamin’ny teny mankamin’ny fon’izy ireo.


ny ankohonan’i Josefa rehetra, ny rahalahiny ary ny ankohonan-drainy. Ny ankizy madinika sy ny ondry ary ny omby ihany no sisa najanony teo amin’ny tany Gesena.


Dia niteny ny iray tamin’ny mpanompony nanao hoe: «Aoka ny dimy amin’ny soavaly sisa velona eto an-tanàna no halaina, - fa indreo izy ka toy ny be sy ny maro amin’i Israely tafajanona ao, indreo izy fa tahaka ny be sy maro amin’i Israely izay mandroso ho faty, - ka alefaontsika hizaha izany.»


Raha ny hankao an-tanàna no fidintsika, dia ao an-tanàna ny mosary ka ho faty ao isika; raha mijanona eto indray, ho faty ihany koa. Koa andeha hitsoboka any an-tobin’ny Sirianina: Mamelona antsika moa izy, dia velona isika, mamono kosa izy dia ho faty isika.»


Niantso andro fifadian-kanina aho, teo amoron’ny ony Ahavà teo, hampijalianay tena eo anatrehan’ny Andriamanitray, hangatahanay aminy mba ho tsara mandroso avokoa, na ny tenanay, na ny zanakay, na ny anananay rehetra.


Tsy ho faty aho fa ho velona, ka hitory ny asan’i Iaveh.


«Manajà ny ray aman-dreninao mba ho lava andro ianao any amin’ny tany omen’i Iaveh Andriamanitrao anao.»


Fa ny zanakareo, izay nolazainareo hoe ho lasan-ko babo, no hampidiriko any; dia izy ireo no hahalala ny tany izay nataonareo tsinontsinona.


Aoka ho velona fa tsy ho faty i Robena, ary aoka tsy hihena ho vitsy ny lehilahy ao aminy.»