Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 43:7 - Baiboly Katolika

Dia hoy iretsy: «Maro ny zavatra nadinin-dralehilahy taminay, momba ny tenanay sy ny fianakavianay, fa hoy izy: ‹Mbola velona va ny rainareo? Mbola manan-drahalahy hafa koa va ianareo?› Ka araka izay nanontaniany no namalianay azy. Ary ahoana no nahazoanay an-tsaina izay hanaovany hoe: ‹Ento midina ny rahalahinareo.› »

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hoy izy ireo: Nanadihady mafy ny amin’ny tenanay sy ny mpianakavinay Ralehilahy ka niteny hoe: Mbola velona ihany va izay rainareo? Ary manana rahalahy hafa koa va ianareo? Dia nambaranay taminy araka izany teny izany. Moa nampoizinay akory va izay hitenenany hoe: Ento midina ny rahalahinareo?

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ka namaly ireo hoe: –Ralehilahy io no namotopototra mafy momba anay sy momba ny fianakavianay, ka nanontany hoe: «Mbola velona ve ny rainareo? Mbola manana rahalahy ve ianareo.» Ary izahay dia namaly fotsiny ny fanontaniany, fa tsy nampoizinay ny hilazany hoe: «Ampidino aty ny rahalahinareo.»

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ka namaly ireo hoe: –Ralehilahy io no namotopototra mafy momba anay sy momba ny fianakavianay, ka nanontany hoe: «Mbola velona ve ny rainareo? Mbola manana rahalahy ve ianareo.» Ary izahay dia namaly fotsiny ny fanontaniany, fa tsy nampoizinay ny hilazany hoe: «Ampidino aty ny rahalahinareo.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hoy izy ireo: Nanadina dia nanadina ny amin’ny tenanay sy ny mpianakavinay ralehilahy ka nanao hoe: Mbola velona ihany va izay rainareo? ary manan-drahalahy hafa koa va hianareo? dia nambaranay taminy araka izany teny izany; moa nampoizinay akory va izay hanaovany hoe: Ento midina ny rahalahinareo?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hoy izy ireo: Nanadina dia nanadina ny amin'ny tenanay sy ny mpianakavinay ralehilahy ka nanao hoe: Mbola velona ihany va izay rainareo? ary manan-drahalahy hafa koa va ianareo? Dia nambaranay taminy araka izany teny izany; moa nampoizinay akory va izay hanaovany hoe: Ento midina ny rahalahinareo?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hoy izy ireo: Nanadihady mafy ny amin’ny tenanay sy ny mpianakavinay Ralehilahy ka niteny hoe: Mbola velona ihany va izay rainareo? Ary manana rahalahy hafa koa va ianareo? Dia nambaranay taminy araka izany teny izany. Moa nampoizinay akory va izay hitenenany hoe: Ento midina ny rahalahinareo?

Jereo ny toko



Genesisy 43:7
6 Rohy Ifampitohizana  

Iray ray avokoa izahay ireto, ary olo-marina izahay, fa tsy mba mpisafo akory ny mpanomponao.»


Ary hoy ny navaliny: «Roa ambin’ny folo mirahalahy izahay mpanomponao ary zanaky ny lehilahy iray ihany any amin’ny tany Kanaana; fa izao kosa ny faralahy dia any amin-drainay, ary ny anankiray tsy velona intsony.»


Nanadina ny toe-pahasalaman’izy ireo i Josefa vao nanao hoe: «Tsara ihany va ilay rainareo efa antitra nolazainareo? Mbola velona ihany ve izy?»


Ka hoy i Jodà namaly azy: «Efa nilaza mazava taminay ralehilahy, nanao hoe: Tsy hahita ny tavako ianareo raha tsy miaraka aminareo ilay rahalahinareo.


«Nahoana ianareo, hoy i Israely, no dia nampiditra angano tamiko, nilaza tamin-dralehilahy hoe: ‹Mbola manan-drahalahy?› »


Ny tompolahiko nanontany ny mpanompony hoe: ‹Manan-dray na rahalahy koa va ianareo?›