Ataovy avo sasaka ny vola entinareo, ary ento indray koa ilay vola natao tao am-bava-lasàkanareo, sao hadisoana no nanaovana azy tao.
Genesisy 43:21 - Baiboly Katolika Nony tonga teo amin’ny toerana handrianay izahay, nanokatra ny lasàkanay, ka indreo ny volanay isany, samy teo am-bava-lasàkanay avy, sy samy tonga lanja avokoa; dia indro izy entinay miaraka aminay. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa tonga teo amin’izay nandrianay izahay dia nosokafanay ny lasakanay dia indreo, ny volanay isan-dahy teo am-bavan’ny lasakanay avy, tsy nahabangana ny lanjan’ny volanay rehetra. Noentinay niverina etỳ an-tananay izany. DIEM PROTESTANTA Nony tonga teo amin’ny toerana handriana hariva anefa izahay ka nanokatra ny kitaponay, dia samy nahita ny vola teo am-bavan-kitaponay avy fa naverina taminay ny vola naloanay. Nentinay niverina aty ireo vola ireo, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nony tonga teo amin’ny toerana handriana hariva anefa izahay ka nanokatra ny kitaponay, dia samy nahita ny vola teo am-bavan-kitaponay avy fa naverina taminay ny vola naloanay. Nentinay niverina aty ireo vola ireo, Baiboly Protestanta Malagasy ary rehefa tonga teo amin’izay nandrianay izahay, dia nosokafanay ny lasakanay, ka indreo ny volanay isan-dahy teo am-bavan’ny lasakanay avy, tonga lanja avokoa ny volanay; ary efa nentinay niverina eto an-tànanay izany. Malagasy Bible ary rehefa tonga teo amin'izay nandrianay izahay, dia nosokafanay ny lasakanay, ka indreo ny volanay isan-dahy teo am-bavan'ny lasakanay avy, tonga lanja avokoa ny volanay; ary efa nentinay niverina eto an-tananay izany. La Bible en Malgache Rehefa tonga teo amin’izay nandrianay izahay dia nosokafanay ny lasakanay dia indreo, ny volanay isan-dahy teo am-bavan’ny lasakanay avy, tsy nahabangana ny lanjan’ny volanay rehetra. Noentinay niverina etỳ an-tananay izany. |
Ataovy avo sasaka ny vola entinareo, ary ento indray koa ilay vola natao tao am-bava-lasàkanareo, sao hadisoana no nanaovana azy tao.
Koa nalain’ireo olona ireo izany fanomezana izany, ary nentiny teo an-tanany ny vola avo sasaka, mbamin’i Benjamina, dia niainga izy nidina nankany Ejipta, ary niseho teo anatrehan’i Josefa.
Ary nitondra vola hafa koa izahay hamidy hanina. Tsy fantatray izay nametraka ny volanay tao anaty lasàkanay.»
Indro fa ny vola hitanay teo am-bava-lasàkanay dia nentinay taminao avy amin’ny tany Kanaana, ka dia hataonay ahoana no fangalatra vola fotsy na volamena ao an-tranon’ny tomponao?
Aza mamaly ratsy, na amin’iza na amin’iza; fa mivonòna hanao ny tsara, tsy eo anatrehan’Andriamanitra ihany, fa eo imason’ny olona rehetra koa.
Aoka tsy hisy hanan-trosa aminareo, afa-tsy ny fifankatiavana; fa izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalàna.
Mivavaha ho anay, fa te hanao tsara amin’ny zavatra rehetra izahay, ary matoky fa marina ny hitsim-ponay.
Aza mba mitondra tena amim-pahidiana; mionòna amin’izay anananareo, fa Tenan’Andriamanitra no nilaza hoe: Tsy handao anao Aho, na hahafoy anao akory;
Manaova fitondran-tena tsara eo afovoan’ny Jentily, mba hankalazany an’Andriamanitra amin’ny andron’ny famangiana, rehefa hitany ny asa soa ataonareo, na dia amin’ny zavatra anaovany anareo ho mpanao ratsy aza.
Aoka ho tsara ny hitsim-ponareo, mba ho amin’izay anendrikendrehana anareo indrindra no hampahamenatra an’ireo mpanaratsy ny fitondran-tena tsara ataonareo ao amin’i Kristy.