Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 42:5 - Baiboly Katolika

Koa tonga hividy vary ireo zanak’i Israely, ary nisy olon-kafa koa niara-tonga taminy fa tratry ny mosary ny tany Kanaana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia tonga ny zanak’Israely mba hividy vary, niaraka tamin’ny olona izay nankany Ejipta, fa tratry ny mosary koa ny tany Kanana.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia tonga hividy vary tany Ejipta toy ny hafa ireo zanakalahin’i Jakôba, fa tratry ny mosary koa ny tany Kanahàna.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia tonga hividy vary tany Ejipta toy ny hafa ireo zanakalahin’i Jakôba, fa tratry ny mosary koa ny tany Kanahàna.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia tonga ny Zanak’Isiraely mba hividy vary niaraka tamin’izay nankany; fa tratry ny mosary koa ny tany Kanana.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia tonga ny zanak'Isiraely mba hividy vary niaraka tamin'izay nankany; fa tratry ny mosary koa ny tany Kanana.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia tonga ny zanak’Israely mba hividy vary, niaraka tamin’ny olona izay nankany Ejipta, fa tratry ny mosary koa ny tany Kanana.

Jereo ny toko



Genesisy 42:5
7 Rohy Ifampitohizana  

Fa nisy mosary teo amin’ny tany ka nidina nitoetra any Ejipta i Abrama, fa lehibe ny mosary teo amin’ny tany.


Nisy mosary indray tamin’ny tany; hafa fa tsy ilay mosary fony fahavelon’i Abrahama. Ka lasa i Isaaka nankany Jerara amin’i Abimeleka, mpanjakan’ny Filistinina.


dia niandoha kosa ny fiavian’ny taona fito mosarena, araka ny voalazan’i Josefa. Ny tany rehetra dia nisy mosary, fa ny tany Ejipta kosa dia nanan-kanin-kohanina.


Tonga tao Ejipta avokoa ny avy amin’ny tany rehetra, hividy vary amin’i Josefa, fa nihamafy ny mosary tamin’ny tany rehetra.


Tamin’ny andron’i Davida nisy mosary naharitra telo taona nifanesy. Ka nanontany ny Tavan’i Iaveh i Davida ary hoy i Iaveh: «Avy amin’i Saola sy ny ankohonany, avy amin’ny ra izao; fa namono ny Gabaônita izy.»


Ary voatsindrin’ny Fanahy Masina ny anankiray tamin’izy ireo atao hoe Agabosy, ka nitsangana nilaza fa hisy mosary lehibe amin’izao tontolo izao. Dia tonga tokoa izany tamin’ny andron’ny Klaody.


Tamin’izay dia nisy mosary eran’i Ejipta sy i Kanaana manontolo ka loza no nanjo, fa tsy nahita hanina ny razantsika.