Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 42:25 - Baiboly Katolika

Rehefa izany, dia nasain’i Josefa nofenoina vary ny lasàkany, sy hatao ao anaty lasàkany avy indray ny volany, ary homena vatsy izy ho azy eny an-dalana. Dia natao taminy avokoa izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nanome teny i Josefa mba hofenoina vary ny lasakany ary haverina ho ao anatin’ny lasakany avy ny volan’ny isan-dahy; nasainy nomena vatsy koa izy ireo hoentiny eny an-dalana. Nataony tamin’izy ireo izany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Avy eo dia nasainy nofenoina vary ny kitapon’izy ireo, ary naverina tao an-kitapony avy koa ny volan’ny isan-dahy sady nomena vatsy hoentiny eny an-dàlana. Dia notanterahina izany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Avy eo dia nasainy nofenoina vary ny kitapon’izy ireo, ary naverina tao an-kitapony avy koa ny volan’ny isan-dahy sady nomena vatsy hoentiny eny an-dàlana. Dia notanterahina izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Josefa nanome teny hameno vary ny lasakany sady hamerina ny volan’ny isan-dahy ho ao anatin’ny lasakany avy ary hanome vatsy azy ho entiny eny an-dàlana; dia nanao izany taminy izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Josefa nanome teny hameno vary ny lasakany sady hamerina ny volan'ny isan-dahy ho ao anatin'ny lasakany avy ary hanome vatsy azy ho entiny eny an-dalana; dia nanao izany taminy izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nanome teny i Josefa mba hofenoina vary ny lasakany ary haverina ho ao anatin’ny lasakany avy ny volan’ny isan-dahy; nasainy nomena vatsy koa izy ireo hoentiny eny an-dalana. Nataony tamin’izy ireo izany.

Jereo ny toko



Genesisy 42:25
9 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa voataingina tamin’ny ampondra ny vary, dia niainga izy.


Ataovy avo sasaka ny vola entinareo, ary ento indray koa ilay vola natao tao am-bava-lasàkanareo, sao hadisoana no nanaovana azy tao.


Dia nataon’ny zanak’i Israely izany. Nomen’i Josefa sarety izy, araka ny teny azony tamin’i Faraôna, ary vatsy koa hohaniny eny an-dalana.


Ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa atỳ amin’ny rano, na dia ianareo tsy manam-bola aza; avia mividiana vary, ka mihinàna; avia hividy tsy amim-bola, na takalo, hividy divay sy ronono.


Fa Izaho kosa milaza aminareo: Tiavo ny fahavalonareo, manaova soa amin’izay mankahala anareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika sy manendrikendrika anareo;


Koa katsaho àry aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia homena izany rehetra izany ianareo ho fanampiny.


Aza mamaly ratsy ny ratsy, na mamaly ompa ny ompa, fa aleo aza misaotra; satria ho amin’izany no niantsoana anareo, mba hahatonga anareo ho mpandova ny fitahiana.