Hoy i Iaveh: «Inona no nataonao? Fa mitaraina hatraty amiko ny feon’ny ran-drahalahinao avy amin’ny tany.
Genesisy 42:22 - Baiboly Katolika Fa niteny tamin’izy ireo i Robena ka nanao hoe: «Tsy efa nilazako va re ianareo fa hoe: Aza manota amin’ny zaza? Nefa tsy nohenoinareo akory izany; ka indro arahina amintsika izao ny rany.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy i Robena taminy: Moa tsy efa niteny taminareo va aho hoe: Aza manota amin’ny zaza? Nefa tsy mba nihaino ianareo. Koa indro, adinina amintsika izao ny rany! DIEM PROTESTANTA Dia niteny i Reobena hoe: –Moa tsy efa nilaza taminareo ve aho hoe: «Aza manao heloka bevava amin’i Jôsefa leiretsy», kanefa tsy nihaino ahy ianareo. Koa izao dia manody antsika ny rany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia niteny i Reobena hoe: –Moa tsy efa nilaza taminareo ve aho hoe: «Aza manao heloka bevava amin’i Jôsefa leiretsy», kanefa tsy nihaino ahy ianareo. Koa izao dia manody antsika ny rany. Baiboly Protestanta Malagasy Dia namaly azy Robena ka nanao hoe: Moa tsy niteny taminareo va aho ka nanao hoe: Aza manota amin’ny zaza? nefa tsy mba nihaino hianareo; koa indro fa adinina ny rany izao. Malagasy Bible Dia namaly azy Robena ka nanao hoe: Moa tsy niteny taminareo va aho ka nanao hoe: Aza manota amin'ny zaza? nefa tsy mba nihaino ianareo; koa indro fa adinina ny ràny izao. La Bible en Malgache Hoy i Robena taminy: Moa tsy efa niteny taminareo va aho hoe: Aza manota amin’ny zaza? Nefa tsy mba nihaino ianareo. Koa indro, adinina amintsika izao ny rany! |
Hoy i Iaveh: «Inona no nataonao? Fa mitaraina hatraty amiko ny feon’ny ran-drahalahinao avy amin’ny tany.
Tsy fantatr’izy ireo ho nahalala ny teniny i Josefa, satria mpandika teny no niresahany taminy.
Hoy i Josefa tamin’ny rahalahiny: «Izaho no Josefa. Mbola velona ihany va ikaky?» Fa tsy nahateny tsy nahavolana ireto rahalahiny, fa very saina loatra teo anatrehany.
Rehefa hitan’ireo rahalahin’i Josefa fa maty i rainy dia hoy izy: «Sao dia anaovan’i Josefa fo lentika isika, ka valiany amin’izao ny ratsy rehetra nataontsika taminy.»
Hatsingerin’i Iaveh eo an-dohany ihany ny rany, fa olona roa lahy, marina sy tsara noho izy, no nasainy sy novonoiny tamin’ny sabatra, nefa tsy fantatr’i Davida raiko izany, dia i Abnera zanak’i Nera, filohan’ny tafik’i Israely, sy i Amasà, zanak’i Jetera, filohan’ny tafik’i Jodà.
Ka ny lohan’i Jôaba sy ny lohan’ny taranany hatrany hatrany no hitsingerenan’ny ran’izy roa lahy ireo. Fa ny ho an’i Davida sy ny taranany mbamin’ny fianakaviany aman-tseza fiandrianany kosa, dia fiadanana lalandava avy amin’i Iaveh!»
Tsy tsaroan’i Jôasy ny fitiavana nataon’i Jôiadà rain’i Zakaria taminy, ka nampamono an’ity zanany izy. Hoy i Zakaria nony efa ho faty: «Hijery sy hamaly an’izao anie i Iaveh!»
Mankalazà an’i Iaveh izay mitoetra any Siôna, ambarao amin’ny firenena ny asa lehibe nataony.
Raha Izaho milaza amin’ny ratsy fanahy hoe: ‹Ho faty tokoa ianao›; nefa ianao kosa tsy mananatra azy, tsy miteny mananatra azy, dia ho faty amin’ny helony ilay ratsy fanahy; nefa hadiniko amin’ny tananao ny rany.
Ny antsika dia rariny izao, satria mandray ny valin’ny ratsy nataontsika isika; fa ny Azy kosa tsy mba nanao ratsy na inona na inona Izy.»
Nony nahita ity bibilava niraviravy tamin’ny tanany ry zareo tompon-tany, dia nifampilaza hoe: «Tena mpamono olona mihitsy io lehilahy io, fa na afaka tamin’ny ranomasina aza, tsy avelan’ny fahamarinan’Andriamanitra ho velona intsony.»
Asehon’izy ireo amin’ny hitsim-pony mitsangan-ko vavolombelona, sy ny fisainany mifanome na mifanala tsiny koa, fa voasoratra ao am-pony ny asan’ny Lalàna,
Izay tokony ho amin’ny fahababoana, dia mankany amin’ny fahababoana; izay mamono amin’ny sabatra tsy maintsy hovonoina amin’ny sabatra. Toy izany no fandeferana sy finoan’ny olo-masina.
ka main’ny afo mafy indrindra ny olona; nefa ny manevateva ny Anaran’Andriamanitra, Izay manam-pahefana amin’ireny loza ireny no nataony, fa tsy ny mibebaka mba hanome voninahitra Azy Tompo.
Nilaza soa an’i Davida, tamin’i Saola rainy, i Jônatasy, fa hoy izy taminy: «Aoka ny mpanjaka tsy hanota amin’i Davida mpanompony, satria tsy nanota taminao izy. Fa vao mainka koa soa ho anao aza ny nataony rehetra,