Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 42:20 - Baiboly Katolika

Ka ento mankaty amiko ny zandrinareo faralahy; dia ho hita fa marina ny teninareo, ka tsy ho faty ianareo.» Dia nataony izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

ento mankaty amiko ny zandrinareo faralahy; dia ho hita fa marina ny teninareo ka tsy hovonoina ianareo. Dia nataon’izy ireo izany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Avy eo dia ento aty amiko ny zandrinareo faralahy, amin’izay dia ho voaporofo fa marina ny teninareo ka tsy ho faty ianareo. Dia nanaiky izany izy,

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Avy eo dia ento aty amiko ny zandrinareo faralahy, amin’izay dia ho voaporofo fa marina ny teninareo ka tsy ho faty ianareo. Dia nanaiky izany izy,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ary ny zandrinareo faralahy dia ento mankatỳ amiko; dia ho hita fa marina ny teninareo, ary tsy hovonoina hianareo. Ary nataony izany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ary ny zandrinareo faralahy dia ento mankaty amiko; dia ho hita fa marina ny teninareo, ary tsy hovonoina ianareo. Ary nataony izany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

ento mankaty amiko ny zandrinareo faralahy; dia ho hita fa marina ny teninareo ka tsy hovonoina ianareo. Dia nataon’izy ireo izany.

Jereo ny toko



Genesisy 42:20
12 Rohy Ifampitohizana  

Ka hotsapaina ny amin’izany ianareo. Raha velona koa i Faraôna tsy hiala aty ianareo, raha tsy tonga ilay zandrinareo faralahy.


Raha olo-marina tokoa ianareo, aoka ny anankiray aminareo, izay rahalahinareo, hijanona mifatotra ao an-tranomaizina misy anareo, ary ianareo kosa handeha hitondra vary hanafaka hanoanana ny fianakavianareo.


Rehefa voataingina tamin’ny ampondra ny vary, dia niainga izy.


Nefa hoy ralehilahy tompon’ny tany, taminay: ‹Izao ihany no hahafantarako fa olo-marina ianareo: avelao aty amiko ny anankiray aminareo, izay rahalahinareo: ary ento izay hanafahana hanoanana ny fianakavianareo, dia mandehana;


ka ento mankaty amiko ilay zandrinareo faralahy. Dia ho fantatro fa tsy mpisafo ianareo, fa olo-marina; ka amin’izay haveriko aminareo ny rahalahinareo, ary ho afaka hanao varotra amin’ny tany ianareo.› »


Dia nanatona an-dralehilahy mpikarakara ny tranon’i Josefa izy ireo, ka niteny taminy teo am-baravaran’ny trano nanao hoe:


Ka hoy i Jodà namaly azy: «Efa nilaza mazava taminay ralehilahy, nanao hoe: Tsy hahita ny tavako ianareo raha tsy miaraka aminareo ilay rahalahinareo.


Fa raha tsy avelanao handeha izy, tsy hidina izahay, satria ralehilahy efa nilaza taminay hoe: Tsy hahita ny tavako ianareo, raha tsy miaraka aminareo ilay rahalahinareo.»


Ary ianao nilaza tamin’ny mpanomponao hoe: ‹Ento midina aty amiko izy mba ho hitan’ny masoko.›


Hoy ianao tamin’ny mpanomponao: ‹Raha tsy miara-midina aminareo ny zandrinareo, tsy hahita ny tavako intsony ianareo.›


Nanomboka nanao izany i Nôe: notanterahiny daholo izay rehetra nasain’Andriamanitra nataony.


Dia hoy ny Reniny tamin’ny mpanompo: «Ataovy izay rehetra holazainy aminareo.»