Hotompoim-pirenena maro anie ianao, hiankohofam-pirenena maro ianao, ho tompon’ny rahalahinao anie ianao, hiankohofan’ny zana-dreninao ianao. Ho voaozona anie izay hanozona anao, fa hohasoavina kosa izay hanisy soa anao!»
Genesisy 42:10 - Baiboly Katolika Fa hoy ny navaliny azy: «Tsia, tompokolahy, fa hividy hanina no nahatongavan’ny mpanomponao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa hoy ireo taminy: Tsia, tompokolahy, fa tonga mba hividy hanina ny mpanomponao. DIEM PROTESTANTA Fa novaliany hoe: –Tsia, tompoko ô! Tonga mba hividy sakafo fotsiny izahay mpanomponao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa novaliany hoe: –Tsia, tompoko ô! Tonga mba hividy sakafo fotsiny izahay mpanomponao. Baiboly Protestanta Malagasy Fa hoy izy ireo taminy: Tsia, tompokolahy; fa tonga mba hividy hanina ny mpanomponao. Malagasy Bible Fa hoy izy ireo taminy: Tsia, tompokolahy; fa tonga mba hividy hanina ny mpanomponao. La Bible en Malgache Fa hoy ireo taminy: Tsia, tompokolahy, fa tonga mba hividy hanina ny mpanomponao. |
Hotompoim-pirenena maro anie ianao, hiankohofam-pirenena maro ianao, ho tompon’ny rahalahinao anie ianao, hiankohofan’ny zana-dreninao ianao. Ho voaozona anie izay hanozona anao, fa hohasoavina kosa izay hanisy soa anao!»
Fa hoy ny navalin’Isaaka an’i Esao: «Efa natsangako ho tomponao izy; sady efa nomeko azy ho mpanompony ny rahalahiny rehetra, ary nataoko be vary aman-divay izy. Ka ny aminao inona indray no azoko atao, anaka?»
Ary hoy ireo rahalahiny taminy: «Dia hanjaka aminay ve ianao e, ary dia ho eo ambany fanapahanao ve izahay e?» Izany nofiny aman-teniny izany, no vao mainka koa nankahalàny azy.
Iray ray avokoa izahay ireto, ary olo-marina izahay, fa tsy mba mpisafo akory ny mpanomponao.»
Izay anankiray amin’ny mpanomponao hahitana izany kôpy izany dia aoka hovonoina; ary na ny tenanay aza dia aoka ho andevon’itompokolahy koa.»
Nony mby teny an-dalana i Abdiasa, indro i Elia nifanena taminy: Niankohoka tamin’ny tany i Abdiasa, nony nahalala azy, ka nanao hoe: «Ianao va ity, ry Elia, tompoko?»
Fantatr’i Saola ny feon’i Davida, ka hoy izy: «Feonao va izany, ry Davida zanako ô!» Dia hoy i Davida namaly: «Feoko tokoa, ry mpanjaka tompoko!»