Namidin’ny Madianita tany Ejipta i Josefa tamin’i Potifara, tandapan’i Faraôna, lehiben’ny mpiambina.
Genesisy 41:12 - Baiboly Katolika Niaraka taminay kosa, dia nisy tao zatovo Hebrio, mpanompon’ny lehiben’ny mpiambina, nitantarànay ny nofinay, ka nambarany taminay ny heviny, samy nilazany ny hevitry ny azy avy izahay, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary tao aminay dia nisy zatovo hebreo iray, mpanompon’ny lehiben’ny mpiambina. Nambaranay taminy ny nofinay ka nolazainy taminay ny heviny. Samy nilazany araka ny nofinay avy izahay. DIEM PROTESTANTA Tao an-tranomaizina niaraka taminay dia nisy zatovolahy hebreo izay nanompo ny lehiben’ny fiambena-mpanjaka. Notantarainay azy ny nofinay, ka nambarany taminay avy ny heviny sy ny dikany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tao an-tranomaizina niaraka taminay dia nisy zatovolahy hebreo izay nanompo ny lehiben’ny fiambena-mpanjaka. Notantarainay azy ny nofinay, ka nambarany taminay avy ny heviny sy ny dikany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary tao aminay dia nisy zatovo Hebreo anankiray, mpanompon’ny mpifehy ny mpiambina; dia nambaranay taminy ny nofinay, ka nolazainy taminay ny heviny; samy nilazany araka ny nofinay avy izahay. Malagasy Bible Ary tao aminay dia nisy zatovo Hebreo anankiray, mpanompon'ny mpifehy ny mpiambina; dia nambaranay taminy ny nofinay, ka nolazainy taminay ny heviny; samy nilazany araka ny nofinay avy izahay. La Bible en Malgache Ary tao aminay dia nisy zatovo hebreo iray, mpanompon’ny lehiben’ny mpiambina. Nambaranay taminy ny nofinay ka nolazainy taminay ny heviny. Samy nilazany araka ny nofinay avy izahay. |
Namidin’ny Madianita tany Ejipta i Josefa tamin’i Potifara, tandapan’i Faraôna, lehiben’ny mpiambina.
Nentina tany Ejipta i Josefa, ary i Potifara, Ejiptianina, tandapan’i Faraôna, lehiben’ny mpiambina, no nividy azy tamin’ny Ismaelita, izay nitondra azy tany.
Nalainy i Josefa ka nataony an-tranomaizina, amin’ny fitoerana fitanana ny olona diso tamin’ny mpanjaka. Dia tao an-tranomaizina tao izy.