Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 40:9 - Baiboly Katolika

Dia notantarain’ny lehiben’ny mpandroso divay tamin’i Josefa ny nofiny, ka hoy izy: «Nofiko fa indro nisy foto-boaloboka teo anatrehako;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nambaran’ny lehiben’ny mpitondra kapoaka tamin’i Josefa ny nofiny; hoy izy: Nofiko fa indro, hono, nisy tahom-boaloboka teo anatrehako.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia nitantara ny nofiny tamin’i Jôsefa ilay lehiben’ny mpandroso zava-pisotron’ny mpanjaka, ka nanao hoe: –Nofiko fa nisy, hono foto-boaloboka iray teo anoloako.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nitantara ny nofiny tamin’i Jôsefa ilay lehiben’ny mpandroso zava-pisotron’ny mpanjaka, ka nanao hoe: –Nofiko fa nisy, hono foto-boaloboka iray teo anoloako.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nambaran’ny lehiben’ny mpitondra kapoaka tamin’i Josefa ny nofiny, ka hoy izy taminy: Nofiko fa indro, hono, nisy tahom-boaloboka teo anatrehako;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nambaran'ny lehiben'ny mpitondra kapoaka tamin'i Josefa ny nofiny, ka hoy izy taminy: Nofiko fa indro, hono, nisy tahom-boaloboka teo anatrehako;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nambaran’ny lehiben’ny mpitondra kapoaka tamin’i Josefa ny nofiny; hoy izy: Nofiko fa indro, hono, nisy tahom-boaloboka teo anatrehako.

Jereo ny toko



Genesisy 40:9
9 Rohy Ifampitohizana  

Tatỳ aorian’izany dia sendra diso tamin’ny mpanjakan’i Ejipta tompony, ny mpandroso divay sy ny mpitantana mofo, ao amin’ny mpanjakan’i Ejipta.


ary nisampana telo io foto-boaloboka io; dia nitsimoka izy, niposaka ny voniny, nanjary voaloboka masaka ny sampahony.


Ka tezitra i Faraôna tamin’ireo manamboninahiny roa lahy ireo, dia ny lehiben’ny mpandroso divay sy ny lehiben’ny mpitantana mofo.


Ka hoy ireo: «Nanonofy izahay, ka tsy misy mahalaza ny heviny.» Ary hoy i Josefa taminy: «Moa tsy an’Andriamanitra va ny fanambaràn-javatra? Ka mba ambarao kely amiko izany.»