Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 40:8 - Baiboly Katolika

Ka hoy ireo: «Nanonofy izahay, ka tsy misy mahalaza ny heviny.» Ary hoy i Josefa taminy: «Moa tsy an’Andriamanitra va ny fanambaràn-javatra? Ka mba ambarao kely amiko izany.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hoy izy roa lahy taminy: Nanonofy izahay ary tsy misy mahalaza ny heviny. Dia hoy i Josefa: Tsy avy amin’Andriamanitra va ny filazana ny hevitry ny nofy? Miangavy anareo aho, lazao amiko izany nofinareo izany!

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia novalian’izy roa lahy hoe: –Samy nanonofy izahay, nefa tsy misy olona mahalaza ny heviny. Hoy kosa i Jôsefa hoe: –Andriamanitra ihany no afaka manome ny heviny, fa mba tantarao amiko aloha ny nofinareo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia novalian’izy roa lahy hoe: –Samy nanonofy izahay, nefa tsy misy olona mahalaza ny heviny. Hoy kosa i Jôsefa hoe: –Andriamanitra ihany no afaka manome ny heviny, fa mba tantarao amiko aloha ny nofinareo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hoy izy roa lahy taminy: Nanonofy izahay, ka tsy misy mahalaza ny heviny. Dia hoy Josefa taminy: Tsy avy amin’Andriamanitra va ny filazana ny hevitry ny nofy? Masìna hianareo, lazao amiko izany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hoy izy roa lahy taminy: Nanonofy izahay, ka tsy misy mahalaza ny heviny. Dia hoy Josefa taminy: Tsy avy amin'Andriamanitra va ny filazana ny hevitry ny nofy? Masìna ianareo, lazao amiko izany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hoy izy roa lahy taminy: Nanonofy izahay ary tsy misy mahalaza ny heviny. Dia hoy i Josefa: Tsy avy amin’Andriamanitra va ny filazana ny hevitry ny nofy? Miangavy anareo aho, lazao amiko izany nofinareo izany!

Jereo ny toko



Genesisy 40:8
17 Rohy Ifampitohizana  

Dia notantarain’ny lehiben’ny mpandroso divay tamin’i Josefa ny nofiny, ka hoy izy: «Nofiko fa indro nisy foto-boaloboka teo anatrehako;


Dia hoy i Josefa tamin’i Faraôna: «Iray ihany ny nofin’i Faraôna, ary izay efa hataon’Andriamanitra no nambarany tamin’i Faraôna.


Raha mahita ho mpanalalana anefa izy, anjely iray amin’ny arivo izay hampahalala ny olombelona ny tsy maintsy ataony,


Ny fifankazarana amin’i Iaveh dia anjaran’ny matahotra Azy. Hampahafantariny azy ny fanambinana avy amin’ny fanekem-pihavanany.


Raha avy izay hilazany aminareo hoe: «Manontania an-dry zareo miantso ny maty, sy amin’ny mpisikidy manao feo mimonomonona sy mibitsibitsika,» valio hoe: «Moa tsy ny Andriamaniny va no tokony hanontanian’ny vahoaka? dia ny maty va no hilan-tsaina ho an’ny velona?


Fa tsy manao na inona na inona ny Tompo Iaveh, raha tsy efa nanambara ny heviny miafina tamin’ny mpaminany mpanompony.