Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 40:6 - Baiboly Katolika

Nony tonga teo amin’izy ireo i Josefa ny maraina, dia nijery azy, ka indreo nalahelo tarehy izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nony maraina ny andro dia nankao amin’izy ireo i Josefa ka nahita azy ireo nalahelo tarehy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nony maraina, rehefa tonga hijery azy ireo i Jôsefa, dia nahita azy nanjoretra,

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nony maraina, rehefa tonga hijery azy ireo i Jôsefa, dia nahita azy nanjoretra,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Josefa nankao aminy nony maraina ny andro ka nahita azy, fa, indreo, nalahelo tarehy izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Josefa nankao aminy nony maraina ny andro ka nahita azy, fa, indreo, nalahelo tarehy izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nony maraina ny andro dia nankao amin’izy ireo i Josefa ka nahita azy ireo nalahelo tarehy.

Jereo ny toko



Genesisy 40:6
9 Rohy Ifampitohizana  

Samy nanonofy izy roalahy indray alina, dia ilay mpandroso divay sy ilay mpitantana mofon’ny mpanjakan’i Ejipta notanana tao an-tranomaizina; ka samy nanana ny nofiny, sy samy hafa ny hevitry ny nofiny.


Dia nanontanian’i Josefa ireto mpanao raharahan’i Faraôna niara-notanana an-tranomaizina taminy, tao an-tranon’ny tompony, nataony hoe: «Nahoana izato ianareo no malahelo tarehy anio?»


Ka hoy ireo: «Nanonofy izahay, ka tsy misy mahalaza ny heviny.» Ary hoy i Josefa taminy: «Moa tsy an’Andriamanitra va ny fanambaràn-javatra? Ka mba ambarao kely amiko izany.»


Nitebiteby ny fanahin’i Faraôna nony maraina ka nampiantso ny mpanoratra sy ny olon-kendry rehetra tao Ejipta izy. Notantarainy tamin’ireo ny nofiny; nefa tsy nisy nahalaza ny heviny tamin’i Faraôna.