Tonga tamin’i Abimeleka tamin’ny nofy anefa Andriamanitra nony alina, ka nanao taminy hoe: «Indro ho faty ianao, noho ny amin’ny vehivavy nalainao, fa vadin’olona izy.»
Genesisy 40:5 - Baiboly Katolika Samy nanonofy izy roalahy indray alina, dia ilay mpandroso divay sy ilay mpitantana mofon’ny mpanjakan’i Ejipta notanana tao an-tranomaizina; ka samy nanana ny nofiny, sy samy hafa ny hevitry ny nofiny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Indray alina, nanonofy izy roa lahy, dia ilay mpitondra kapoaka sy ilay mpanao mofon’ny mpanjakan’i Ejipta, izay nifatotra tao an-tranomaizina. Samy nanana ny nofiny izay samy nanana ny heviny avy izy roa lahy ireo. DIEM PROTESTANTA Indray alina dia samy nanonofy tao an-tranomaizina izy roa lahy, dia ny lehiben’ny mpandroso zava-pisotro ary koa ny mpanao mofon’ny mpanjakan’i Ejipta; ary samy nanana ny heviny avy ny nofiny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Indray alina dia samy nanonofy tao an-tranomaizina izy roa lahy, dia ny lehiben’ny mpandroso zava-pisotro ary koa ny mpanao mofon’ny mpanjakan’i Ejipta; ary samy nanana ny heviny avy ny nofiny. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nanonofy izy roa lahy indray alina, dia ilay mpitondra kapoaka sy ilay mpanao mofon’ny mpanjakan’i Egypta, izay nifatotra tao amin’ny trano-maizina, ka samy nanana ny nofiny araka ny hevitry ny nofiny avy. Malagasy Bible Ary nanonofy izy roa lahy indray alina, dia ilay mpitondra kapoaka sy ilay mpanao mofon'ny mpanjakan'i Egypta, izay nifatotra tao amin'ny trano-maizina, ka samy nanana ny nofiny araka ny hevitry ny nofiny avy. La Bible en Malgache Indray alina, nanonofy izy roa lahy, dia ilay mpitondra kapoaka sy ilay mpanao mofon’ny mpanjakan’i Ejipta, izay nifatotra tao an-tranomaizina. Samy nanana ny nofiny izay samy nanana ny heviny avy izy roa lahy ireo. |
Tonga tamin’i Abimeleka tamin’ny nofy anefa Andriamanitra nony alina, ka nanao taminy hoe: «Indro ho faty ianao, noho ny amin’ny vehivavy nalainao, fa vadin’olona izy.»
Tatỳ aorian’izany dia sendra diso tamin’ny mpanjakan’i Ejipta tompony, ny mpandroso divay sy ny mpitantana mofo, ao amin’ny mpanjakan’i Ejipta.
I Josefa no notendren’ny lehiben’ny mpiambina ho eo amin’izy roa lahy ireo, ka dia nanompo an’ireo izy, ary elaela ihany no tao an-tranomaizina ireo.
Nony tonga teo amin’izy ireo i Josefa ny maraina, dia nijery azy, ka indreo nalahelo tarehy izy.
Ka hoy ireo: «Nanonofy izahay, ka tsy misy mahalaza ny heviny.» Ary hoy i Josefa taminy: «Moa tsy an’Andriamanitra va ny fanambaràn-javatra? Ka mba ambarao kely amiko izany.»
dia nanonofy izahay, indray alina, ka samy nanana ny nofiny izaho sy izy, samy araka ny hevitry ny nofiny avy.
ary hoy izy hoe: «Henoy tsara izao teniko izao: Raha misy mpaminanin’i Iaveh eo aminareo, dia fahitana no hisehoako aminy, ary nofy no hitenenako aminy.