Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 40:4 - Baiboly Katolika

I Josefa no notendren’ny lehiben’ny mpiambina ho eo amin’izy roa lahy ireo, ka dia nanompo an’ireo izy, ary elaela ihany no tao an-tranomaizina ireo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Notendren’ny lehiben’ny mpiambina ho eo amin’izy roa lahy i Josefa ka nanompo azy ireo izy. Ary nitoetra andro maromaro tao amin’ny tranomaizina izy roa lahy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ilay lehiben’ny mpiambina kosa nametraka azy roa lahy teo ambany fitandreman’i Jôsefa; ary fotoana vitsivitsy no nitanana azy tao.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ilay lehiben’ny mpiambina kosa nametraka azy roa lahy teo ambany fitandreman’i Jôsefa; ary fotoana vitsivitsy no nitanana azy tao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Josefa notendren’ny mpifehy ny mpiambina ho eo amin’izy roa lahy, dia nanompo ireo izy; ary nitoetra andro maromaro tao amin’ny trano-maizina izy roa lahy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Josefa notendren'ny mpifehy ny mpiambina ho eo amin'izy roa lahy, dia nanompo ireo izy; ary nitoetra andro maromaro tao amin'ny trano-maizina izy roa lahy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Notendren’ny lehiben’ny mpiambina ho eo amin’izy roa lahy i Josefa ka nanompo azy ireo izy. Ary nitoetra andro maromaro tao amin’ny tranomaizina izy roa lahy.

Jereo ny toko



Genesisy 40:4
7 Rohy Ifampitohizana  

Namidin’ny Madianita tany Ejipta i Josefa tamin’i Potifara, tandapan’i Faraôna, lehiben’ny mpiambina.


Nentina tany Ejipta i Josefa, ary i Potifara, Ejiptianina, tandapan’i Faraôna, lehiben’ny mpiambina, no nividy azy tamin’ny Ismaelita, izay nitondra azy tany.


Dia nasainy nahiboka tao amin’ny lehiben’ny mpiambina ireo, tao an-tranomaizina, tao amin’ny fitoerana nitanana an’i Josefa.


Samy nanonofy izy roalahy indray alina, dia ilay mpandroso divay sy ilay mpitantana mofon’ny mpanjakan’i Ejipta notanana tao an-tranomaizina; ka samy nanana ny nofiny, sy samy hafa ny hevitry ny nofiny.


Dia nasainy atao an-tranomaizina hateloana izy ireo.


Ankino amin’i Iaveh ny anjaranao, dia matokia Azy, fa dia hanao Izy;