Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 40:3 - Baiboly Katolika

Dia nasainy nahiboka tao amin’ny lehiben’ny mpiambina ireo, tao an-tranomaizina, tao amin’ny fitoerana nitanana an’i Josefa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nataony tao an-tranomaizina izy roa lahy, tao an-tranon’ny lehiben’ny mpiambina, tao anatin’ilay tranomaizina izay nifatoran’i Josefa.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

ka nampanao azy an-tranomaizina; ny fonenan’ilay lehiben’ny mpiambina no nisy io tranomaizina io, dia ny fonja izay nigadran’i Jôsefa.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

ka nampanao azy an-tranomaizina; ny fonenan’ilay lehiben’ny mpiambina no nisy io tranomaizina io, dia ny fonja izay nigadran’i Jôsefa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nataony tao an-trano-maizina izy roa lahy, tao an-tranon’ny mpifehy ny mpiambina, tao anatin’ny trano-maizina izay nifatoran’i Josefa.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia natao­ny tao an-trano-maizina izy roa lahy, tao an-tranon'ny mpifehy ny mpiambina, tao anatin'ny trano-maizina izay nifatoran'i Josefa.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nataony tao an-tranomaizina izy roa lahy, tao an-tranon’ny lehiben’ny mpiambina, tao anatin’ilay tranomaizina izay nifatoran’i Josefa.

Jereo ny toko



Genesisy 40:3
6 Rohy Ifampitohizana  

Nentina tany Ejipta i Josefa, ary i Potifara, Ejiptianina, tandapan’i Faraôna, lehiben’ny mpiambina, no nividy azy tamin’ny Ismaelita, izay nitondra azy tany.


Nalainy i Josefa ka nataony an-tranomaizina, amin’ny fitoerana fitanana ny olona diso tamin’ny mpanjaka. Dia tao an-tranomaizina tao izy.


Natolotry ny mpitandrina ny tranomaizina ho andraikitr’i Josefa ny olona rehetra tao an-tranomaizina; ary nataony tonian’izay rehetra natao tao izy.


Tsy nokarakarain’ny mpitandrina ny tranomaizina intsony izay rehetra mby an-tanan’i Josefa fa nomban’i Iaveh izy sady nomban’i Iaveh tamin’izay rehetra nataony.


I Josefa no notendren’ny lehiben’ny mpiambina ho eo amin’izy roa lahy ireo, ka dia nanompo an’ireo izy, ary elaela ihany no tao an-tranomaizina ireo.


Fony Faraôna tezitra tamin’ny mpanompony ka nandatsaka ahy an-tranomaizina, tao an-tranon’ny lehiben’ny mpiambina, izaho sy ilay lehiben’ny mpitantana mofo,