Raha tsara ny ataonao, tsy hankasitrahina va ianao? Fa raha tsy tsara kosa ny nataonao, moa tsy mamitsaka eo am-baravaranao va ny ota? Mankaminao ny faniriany, fa tsy maintsy manapaka azy kosa ianao.»
Genesisy 4:6 - Baiboly Katolika Ary hoy i Iaveh tamin’i Kaina: «Nahoana no tezitra ianao, ary nahoana no kivy endrika? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy NY TOMPO tamin’i Kaina: Nahoana no tezitra ianao? Ary nahoana no manjombona ny tarehinao? DIEM PROTESTANTA Ary hoy ny TOMPO tamin’i Kaina: –Nahoana no tezitra sady manjombona tarehy ianao? Raha manao ny tsara ianao, moa tsy hahatraka? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary hoy ny TOMPO tamin’i Kaina: –Nahoana no tezitra sady manjombona tarehy ianao? Raha manao ny tsara ianao, moa tsy hahatraka? Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Jehovah tamin’i Kaina: Nahoana no tezitra hianao? Ary nahoana no manjombona ny tarehinao? Malagasy Bible Ary hoy Jehovah tamin'i Kaina: Nahoana no tezitra ianao? Ary nahoana no manjombona ny tarehinao? La Bible en Malgache Hoy NY TOMPO tamin’i Kaina: Nahoana no tezitra ianao? Ary nahoana no manjombona ny tarehinao? |
Raha tsara ny ataonao, tsy hankasitrahina va ianao? Fa raha tsy tsara kosa ny nataonao, moa tsy mamitsaka eo am-baravaranao va ny ota? Mankaminao ny faniriany, fa tsy maintsy manapaka azy kosa ianao.»
Avia, hiara-mifandahatra isika; Na mangatrakatraka aza ny fahotanareo, hanjary fotsy hoatra ny oram-panala; na mena hoatra ny jaky aza izy, ho tonga toy ny volon’ondry.
Taranaka ahoana re ianao izany e! Diniho ny tenin’i Iaveh: Moa tany efitra ho an’i Israely va Aho, moa tany maizim-pito va? Nahoana ny vahoakako no manao hoe: ‹Efa afaka izahay, ka tsy hiverina aminao intsony?›
«Inona no tsy marina, hitan’ny zanakareo tamiko, no dia nihataka tamiko izy, ka nanaraka ny zava-poana sy tonga zava-poana?
Fa hoy i Iaveh tamin’i Jônasy: «Mety va izao hatezeranao noho ny amin’ny tanantanamanga izao?». Ka hoy ny navaliny: «Mety ny hatezerako mandra-pahafatiko».
Tsy mahazo manao izay tiako amin’izay fananako va aho, sa ratsy ny masonao satria tsara aho?