Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 39:23 - Baiboly Katolika

Tsy nokarakarain’ny mpitandrina ny tranomaizina intsony izay rehetra mby an-tanan’i Josefa fa nomban’i Iaveh izy sady nomban’i Iaveh tamin’izay rehetra nataony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Tsy mba nikarakara na inona na inona intsony tamin’izay teo am-pelatanany ny mpiambina ny tranomaizina, satria NY TOMPO nomba an’i Josefa, ary izay nataony dia nambinin’NY TOMPO.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Koa ilay lehiben’ny fonja dia tsy niraharaha na inona na inona tamin’ny zavatra rehetra nankininy tamin’i Jôsefa, satria ny TOMPO nomba azy ka nanambina izay nataony.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Koa ilay lehiben’ny fonja dia tsy niraharaha na inona na inona tamin’ny zavatra rehetra nankininy tamin’i Jôsefa, satria ny TOMPO nomba azy ka nanambina izay nataony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ny mpitandrina ny trano-maizina tsy mba nikarakara na inona na inona izay efa mby an-tànany, satria Jehovah nomba an’i Josefa, ary izay nataony dia nambinin’i Jehovah.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ny mpitandrina ny trano-maizina tsy mba nikarakara na inona na inona izay efa mby an-tànany, satria Jehovah nomba an'i Josefa, ary izay nataony dia nambinin'i Jehovah.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Tsy mba nikarakara na inona na inona intsony tamin’izay teo am-pelatanany ny mpiambina ny tranomaizina, satria NY TOMPO nomba an’i Josefa, ary izay nataony dia nambinin’NY TOMPO.

Jereo ny toko



Genesisy 39:23
10 Rohy Ifampitohizana  

Nalainy i Josefa ka nataony an-tranomaizina, amin’ny fitoerana fitanana ny olona diso tamin’ny mpanjaka. Dia tao an-tranomaizina tao izy.


Nandà izy ka nanao tamin’ny vadin’ny tompony hoe: «Indro ny tompoko fa tsy miahy na inona na inona intsony amiko, amin’ny ato an-tranony, ary ny fananany rehetra napetrany eo an-tanako.


Tahaka ny hazo nambolena eo amoron’ny ranovelona izy, ka ny voany tonga amin’ny fotoany; ny raviny tsy mba malazo; ny ataony rehetra vanona avokoa.


Raha mita rano ianao, dia homba anao Aho; raha mamaky ny ony ianao, tsy hanafotra anao izy; raha mandeha eo afovoan’ny afo ianao, tsy ho may; ary ny lelafo tsy handoro anao.


Noho izany, izao no tenin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Fa efa voalazako fa ny taranakao sy ny tarana-drainao no handeha eo anatrehako mandrakizay; nefa ankehitriny, aza ho toy izany intsony, hoy i Iaveh. Fa izay manaja Ahy no hohajaiko, ary izay maniratsira Ahy no hotsiratsiraiko koa.