Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 38:9 - Baiboly Katolika

Fantatr’i Onàna anefa fa tsy taranaka ho azy izany, ka nony nandeha tamin’ity vadin-drahalahiny izy, dia nandoto tena teo ivelany tamin’ny tany mba tsy hampahazo taranaka ny rahalahiny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fantatr’i Onana fa tsy ho azy tsinona ny taranaka; koa rehefa nandry tamin’ny vadin’ny rahalahiny izy dia nandraraka tamin’ny tany mba tsy hisy taranaka ho an’ny rahalahiny.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Fantatr’i Onàna fa tsy ho azy ny taranaka raha misy, koa isaky ny nandry tamin’ny zaobaviny izy, dia nandraraka ny tsirinainy tamin’ny tany mba tsy hanome taranaka ho an’ny rahalahiny.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fantatr’i Onàna fa tsy ho azy ny taranaka raha misy, koa isaky ny nandry tamin’ny zaobaviny izy, dia nandraraka ny tsirinainy tamin’ny tany mba tsy hanome taranaka ho an’ny rahalahiny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary fantatr’i Onana fa tsy ho azy tsinona ny zaza; koa raha nandry tamin’ny vadin’ny rahalahiny izy, dia nandraraka tamin’ny tany mba tsy hiterahany zanaka ho an’ny rahalahiny.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary fantatr'i Onana fa tsy ho azy tsinona ny zaza; koa raha nandry tamin'ny vadin'ny rahalahiny izy, dia nandraraka tamin'ny tany mba tsy hiterahany zanaka ho an'ny rahalahiny.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fantatr’i Onana fa tsy ho azy tsinona ny taranaka; koa rehefa nandry tamin’ny vadin’ny rahalahiny izy dia nandraraka tamin’ny tany mba tsy hisy taranaka ho an’ny rahalahiny.

Jereo ny toko



Genesisy 38:9
11 Rohy Ifampitohizana  

Tsy sitraky ny Tompo ny nataony, ka novonoiny koa izy.


Ny adala levona amin’ny hatezerany ary ny foka maty amin’ny fisafoahany.


Masiaka ny havinirana, miafonafona ny hatezerana, fa zovy no hahatoetra raha asian’ny fialonana?


«Raha misy mpirahalahy miara-monina, maty momba ny iray aminy, dia aoka ny vadin’ny maty tsy hanambady vahiny any ivelany fa ny rahalahin’ny vadiny ihany no aoka handeha hanatona azy hanambady azy, sy hitondra loloha azy.


Ary ny voalohan-janany lahy haterany no handova ilay rahalahy maty sy haka ny anarany, mba tsy ho faty eo imason’i Israely izany anarana izany.


Fa isika koa fahiny mba efa adala, tsy nanaiky, naniasia, andevon’ny faniriana amam-pilàn-dratsin’ny nofo rehetra, mpisompatra sy mpialona ka sady tandrifiny hankahalaina no nifankahala koa.


Fa raha fialonana mangidy sy fifampiandaniana no ao am-ponareo, dia aza mirehareha, fa mandainga manohitra ny marina.


satria izay misy fialonana sy fifampiandaniana, dia tsy maintsy misy fikorontanana sy izao asa ratsy rehetra izao koa.


Ary moa ataonareo ho teny foana va ny lazain’ny Soratra Masina hoe: «Tia anareo sy saro-piaro anareo aza ny Fanahy Izay nampitoeriny ao anatinareo?»


Fa hoy i Nôemì: «Modia, anaka, ahoana no hiarahanareo amiko? Mbola misy zazalahy mety ho vadinareo va ato an-kiboko?


lasako miaraka amin’izany koa ho vadiko i Rota Moabita, vadin’i Mahalôna, mba hamelo-maso ny anaran’ny maty eo amin’ny lovany, ary mba tsy ho faty eo amin’ny rahalahiny sy eo am-bavahadin’ny fonenany ny anaran’ny maty. Ianareo no vavolombelon’izany androany.»